Lisi-pifidianana – Tokony hovaina ny « logiciel » ary hasiana sary izany lisitra izany

Andry Tsiavalona

Tafaverina an-tanindrazana ny sabotsy 11 Febroary lasa teo ny filoha teo aloha Rajaonarimampianina Hery. Efa nanahy ny nanomezan’izao fitondrana izao azy NOTAM ny ankamaroan’ny politisiana eto amin’ny Firenena. Efa tamin’izao fitondrana izao teo amin’ny tetezamita mantsy, no nanao izany fandrarana ny olompirenena natahorany teo amin’ny fifidianana tsy nanahazo niditra teto. Efatra taona koa Rajoelina Andry no nijanona tany ivelany rehefa tsy nahazo nirotsaka ho kandidà tamin’ ny fifidianana ho Filoham-pirenena ny taona 2013. Rajoelina Andry no nanolotra an-dRajaonarimampianina Hery ho kandidà taorian’izany. Nanangana ny antokony, HVM, anefa ity farany ka izay no anton’ny disadisa teo amin’izy ireo.

Samy efetra taona no nijanonan’izy roalahy tany ivelany ary talohan’ny niverenan-dRajoelina Andry teto an-toerana tamin’ny naha kandidà azy dia nanolotra ny IEM tany Frantsa izy. Lany ho filohan’ny Repoblika izy araka ny didy tsy azo ivalozana navoakan’ ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana. Nanao famindram-pahefana tamin-dRajoelina Andry izy, izay vao nandeha tany ivelany. Tsy niketrika programa hanaovana fampielezankevitra izy tany ivelany ary nanambara fa tonga hitety an’i Madagasikara ary hijery ny fiainan’ny mpiray Tanindrazana izay vao hihevitra ny programa entina manarina ny Firenena sy hivoahana amin’izao fahoriana mianjady amin’ny vahoaka izao. Tsy ny nampanahy ny mpomba an-dRajaonarimampianina Hery no nitranga satria tafiditra soa aman-tsara teto an-tanindrazana izy, fa nampiseho ny mampalemy azy indray izao fitondrana izao, ka nosakanana tsy nahazo niditra teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ireo vahoaka saika nitsena ity filoha teo aloha ity.

Ny fanontaniana mipetraka dia tahotra ny vahoaka mety nirohatra toy ireo nitsena ny Barea ve no anton’ny tsy namelana ireo mpomba an-dRajaonarimampianina Hery niditra teny Ivato? Atahoran’izao fitondrana izao fa hahavory vahoaka maro ka mety hanozongozona ny toerany ny mpanohitra rehefa mba mikasa hanao hetsika an-kalamanjana. Raha ny fantatra aloha dia tsy misy mihevitra ny hanongam-panjakana ny mpanohitra na dia tsy mbola nizaka fahoriana toy izay misy amin’izao fotoana izao aza ny Malagasy, satria samy mihevitra ny hanala azy ireo eo amin’ny toerany amin’ny fomba demokratika. Na miezaka manao laharam-pamehana sy mampihatra ny “sosialim-bahoaka” ka mitety faritra aza Rajoelina Andry dia mitovy amin’ny “tosika fameno” sy ny “vatsy tsinjo” ihany izany, ka tsy hampisandratra ny Firenena sy hahavita taona ny vahoaka.

Tokony ho ao an-tsain’ny mpitondra amin’izao fotoana izao fa mora manadino ny vahoaka gasy, ka raha falifaly sy hetsaka izy anio dia rehefa miverina miaina ny fiainany an-davanandro indray dia toy ny tsy nisy izay nisitrahany omaly. Ny hita aloha hatramin’izao dia tanàn-dehibe hatrany no hanaovan-dRajoelina Andry ny “sosialim-bahoaka”, satria ny any amin’ireny toerana ireny no mila halaina ny fony satria ny any amin’ny tany lavitr’andriana kosa dia efa milamina ny fifidianana noho ny baiko midina avy amin’ny governora sy lehiben’ny distrika tsy maintsy tanterahin’ny sefo fokontany sy ny ben’ny tanàna.

Manampy trotraka izany dia tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny fanavaozana ny lisitry ny mpifidy. Tsy matoky ireo rafitra lazaina fa mahaleotena mikarakara ny fifidianana, ny Ceni sy ny Hcc, ny mpanohitra sy ny fiarahamonim-pirenena ary ny olompirenena afaka mandinika ny fikarakarana ny fifidianana noho ny nisian’ny “doublon” niisa tapitrisa mahery tamin’ny fifidianana fihodinana faharoa farany. Koa raha mbola hitohy hatramin’ny faran’ny volana jolay ihany ny fisoratana anarana ho mpifidy dia ny tsara indrindra dia ny manova ny “logiciel” mihitsy ary hipetaka eo amin’ny lisitry ny mpifidy ny sarin’ireo voasoratra ao. Misy izany fitaovana izany any Inde sy Etazonia, izay tsy nahenoana fa nisy krizy mihitsy taorian’ny fifidianana tany Inde na dia fitonjato tapitrisa aza ny mpifidy. Heverina fa ho azo ampiharina eto amintsika koa izany.