TSOFY DIA HO HITANAO

Vao misy sehatra ijoroana dia tsy maintsy mihoerahoera,
Sy manao izay hahazoana voninahitra aman-dera.
Rediredy hatrany hatrany no mivoaka avy ao am-bava.
Ontsa anao ‘zahay vahoaka ry mpanimba sy mpandrava!

Rivodoza, andro ratsy, “tsofintsika fotsiny io”,
Ary aza atao mba mampiraika na tafiotra na tadio.
Izany raha somary adika ilay kabary fihantsiana,
Saingy tsy hay ny mampandositra ireo karazam-pahoriana!

Fa tsy nisy tsy nanjo ny Malagasy tato ho ato,
Nefa toa tsy misy hafitsoka ity ilay hoe mpitari-bato.
Lasa “teny foana” ihany ny “alefaso, alefaso”,
Na dia tena nisy ny ezaka hanampy ho efatra ny maso!

“Tsofintsika fotsiny io”, fiteny mampanongo tena,
Raha ny fahantrana misy sy manjo ny firenena!
Angaha heverinao fa lalitra ka vitavitan’ny fitsofana,
Ry mpanandratra ny vola ho sampikely fiankohofana?

…Ny hatezeranay vahoaka, tsofy anie dia ho hitanao
Fa hiova ho afo hiredareda, hilaza f’efa “lera” izao.
Ka mahandrasa, miomàna ry efa zatra mitsotsòka:
Raha fanenjika no atao, tsy ho ela intsony ianao dia “boka”!

TSIMIMALO (07-02-23)