Madagasikara – Fifidianana filohampirenena 2023 – Tetiandro

Ny Valosoa

Mankasitraka ny CENI nihaino ny antson’ny antoko TIM sy ireo tomponandraikitra maro avy amin’ny mpanohitra, fikambanana, fiarahamonimpirenena.

Fifidianana filohampirenena
Fiodinana voalohany: Alakamisy 9 Novambra 2023
Fiodinana faharoa: Alarobia 20 Desambra 2023

Tanteraka amin’ny ampahany ny volavolan-tetiandro tokony hatao amin’ity taona 2023 ity, mifanaraka amin’ny voalazan’ny Lalàmpanorenana, satria mbola misy koa ny fifidianana hafa ankoatry ny filohampirenena.

Dia mbola antsoina koa ny CENI amin’ny fomba fiasa mangarahara handraisan’ny rehetra anjara, hahazoana lisitry ny mpifidy Feno sy Madio amin’izao Fanavaozana manontolo izao, ary manainga ny CENI hatrany hanatanteraka sehatra ifampidinihana hisian’ny fifidianana madio sy tsy mandeha ila handraisan’ny rehetra anjara.