11 Febroary – Taratasin’ny mpamaky

Fanehoan-kevitra ampitaina amin’ny gazety izao manaraka izao: MANAM-BOLA VE IANAREO FANJAKANA SA EFA HO BANKIROMPITRA ?

Tsy mety mitsotra mihitsy ianareo hoe sahirana. Raha mitsotra ianareo dia mba mitsotra koa ny fon’ny vahoaka. Fa tsy izany no misy fa vao mainka aza ianareo mihoerahoera. Afomanga tsy hihinanan-kanina no atolotra ny vahoaka. Matin-kambo ianareo nefa eo amin’ny sehatry ny fampianarana amin’izao dia andoavana vola daholo ny fanadinana CEPE sy BEPC na dia dradraina aza fa maimaim-poana. Izao dia niakatra ho 2500 Ar no haloa ho an’ny mpanala CEPE ary 3500 Ar raha BEPC. Izany ve ilay maimaimpoana?

Ny fanaovana fizaham-pahasalamana (visite medicale) ho an’ny mpanala fanadinana dia andoavana eny amin’ny CSB vola 1000 Ar hatramin’ny 2000 Ar isaky ny mpianatra, izay azo antoka fa tsy miditra amin’ny kitapom-bolam-panjakana akory satria tsy misy rosia mazava ny amin’izany, fa ny dokotera fotsiny no toa mitango izany. Ny taratasim-panadinana dia tsy vitanareo intsony ny manonta azy, fa omena modely iray isaky ny sekoly dia ny sekoly no manonta izany araka ny isan’ny mpianatra ao aminy (tena tsy fahita tao anatin’ny 60 taona aloha izany!). Izany no santionany amin’ny zava-misy eo amin’ny sehatry ny fampianarana.

Kianja sy toerana hanaovana ny adina EPS mbola manginy fotsiny rehefa tonga ny fiatrehana izany, satria tena tsy ananan’ny fanjakana raha ny eto an-drenivohitra fotsiny no jerena. Dia ho aiza atsy ho atsy ny raiamandreny sy ny mpianatra mahantra? sa dia ny hahadondrona ny vahoaka no tena tanjonareo, amin’izay dia ho lasa mora ambakaina sy atao araka izay itiavanareo azy?

Raim-pianakaviana tonga saina
Mpamaky gazety Ny Valosoa