Fiarahamonim-pirenena – Andriamaso Mampikaikaika vahoaka ny fanararaotam-pahefana ataon’ny mpitondra ifotony

Franck Razakambelo

Mampitaraina ny vahoaka madinika nandritra ny taona 2022 lasa teo, ny tsindry hazolena ataon’ireo olom-panjakana isan-tsokajiny: ny Zandary, ny Miaramila, ireo manam-pahefana ifotony… hoy Andriamatoa Andry Raveloson, filoha nasionaly ny vovonana Andriamaso (Fiarahamonim-pirenena miaro ny zon’olombelona sy miady amin’ny tsy fandriampahalemana ). Io no fanehoan-kevitra nisongadina nandritra ny lanonana fiarahabana tratra ny taona nataon’ny mpikambana ao amin’ity vovonana ity, tetsy amin’ny Fokontany Ankadindramamy omaly zoma.

Nanohy fanazavana ity tompon’andraikitra ity, fa miisa 1200 ny fitarainan’ny olona nandalo teo amin’ny Andrimaso nandritra ny taon-dasa ary voavaha avokoa ny 80 % an’ireo raharaha ireo, noho ny fisian’ny soatoavina Malagasy ao anatin’izany ny fandalana ny fihavanana. Nanohy fanazavana ny filoha nasionaly ny Andrimaso, fa araka ny fidinana ifotony izay nataon’ny birao nasionaly dia ny fahantrana sy ny fiantraikan’ny fandalovan’ny aretina « Covid » no fototry ny olana eto Madagasikara mahatonga ny fifanolanana ary noho ny fisian’ny fanararaotam-pahefana ataon’ny olom-panjakana dia mihazakazaka any amin’ireo fikambanana miaro ny zon’olombelona ny vahoaka madinika mitondra ny fitarainany rehefa tsy mahazo ny rariny.

Nanamafy i Andriamatoa Raveloson Andry, fa hiantso an’ireo olona sahy hiaro ny zon’olombelona sy hiaro ny vahoaka madinika miaraka amin’ny fananany, mba hanatevin-daharana an’ity vovonana ity ny mpikambana Andrimaso amin’ity taona 2023 ity, satria noho ny fisian’ny tsindry hazolena ataon’ny olom-panjakana dia misintaka ny tanàn-dehibe ireo vahoaka madinika tsy nahazo ny rariny ary manosika an’ireto farany hanao valifaty amin’ny alalan’ny fanaovana ny asan-dahalo sy sakan-dalana, ka manome vahana ny tsy fandriampahalemana.

Nanamafy ny filoha nasionaly ny vovonana Andriamaso, fa tokony homen’ny fitondram-panjakana asa ireo mpitandro filaminana nahavita fanompoam-pirenena, satria lasa manampy isa an’ireo dahalo ireto farany rehefa tsy mahita fidiram-bola hamelomana ny ankohonany .Tsiahivina fa miisa 30 ireo vondrom-pikambanana izay mandrafitra ny vovonana Andriamaso manerana ny Nosy ary niray feo ireto farany, fa ny tsy fisian’ny fanampiana ara-tsosialy no anisan’ny fototra mampirongatra ny tsy fandriampahalemana, ka tokony ho jeren’ny manam-pahefana akaiky.