Fanampian’ny FID – Ireo mahitahita ihany no mahazo ny vatsy-vatsy

Niaina

Araka ny vaovao voaray sy fanadihadiana natao, ireo mahitahita ihany no mahazo karazana fanampiana vatsy-vatsy avy amin’ny FID na Fonds d’Intervention pour le Developpement. Nambarany fa: ”resaka fanampiana MIONJO ity resaka ity. Hanaovana antso amin’ny FID – Fonds d’Intervention pour le Développement sy ny Banque Mondiale Madagascar – izay mahitahita no mahazo ity atao hoe vatsy vatsy ity. Olona tena manana ny ampy fa dia any amin’ny hoe ny mpizara tombontsoa no manome ny tolotra. Nilaza moa ilay olona fa ireto tompon’andraikitra isan-tsokajina no mihinana mahazo tombontsoa voalohany amin’ilay vatsy vatsy… Ny mpanasa lamba tsy mba nahazo na dia nilahatra aza… sady manana trano no manana fiara noho ny asany tena mahavelona anefa dia omena tolotra vatsy angaha! Tsy misy manana ny ampy fa mbola misy olona tena mila ilay fanampiana noho izahay dia tsy nanaiky izahay!

Ity tatitra ity dia hangatahana ny fanarahamason’ny tompon’andraikitra… ary hiantsoana ny Transparency International Initiative Madagascar sy ny Malina ary ny mpanao gazety rehetra mba hanadihady, ny Gazety Valosoa … Misy mitairaina aty amiko fa any amin’iny Faritra Androy iny no misy izao!

“Ny Association AMPELA MITRAOKE dia manoratra anarana isan-tokantrano any amin’ny fokontany, dia ny chef fokontany no asaina manoratra ny olona ao amin’ny iadidiany.
Ny tena mampalahelo dia rehefa manoratra ny anaran’ireo olona ilay chef fokontany dia teneniny hoe: (120000 Ar no zaraina dia ho soratana ny anaranao fa omena ahy ny 80000 Ar dia 40000 Ar ny anaran’ilay soratana anarana). Dia manaiky tsy fidiny ny olona ho soratana anarana satria mba sitrany ahay mahazo izay 40000 Ar izay.

Izany ny zava-misy ato amizao:”Ireto mpahazo tombontsoa anefa tsy misy sahy mijoro ho vavolombelona satria hoe “Tena maharary ireo fa sao dia hifoteran’ny rambony na hamono biby tsy mahafaty, ka hifoteran’ny rambony no mampatahotra azy ireo”. Hoy ilay mitaraina “Ka efa nitaraina tamin’ny mikarakara ireny koa aho fa tsisy azo atao hoy izy raha tsy misy porofo”. Miantso ny be sy maro aho… Izao mantsy manosika mafy ity “filet de securite sociale ity ny Banque Mondiale manerantany mihitsy izy ity, satria vola mora alatsaka io… Io tsy hoe dia vola bôjo daholo fa vola trosaina ihany koa! hatreto anefa dia ny tompon’andraikitra isan’ny ambaratongany no matavy sy misitraka voalohany ilay fanampiana … ankoatra ny any dia tsy hita mihitsy! Koa manao antso amkin’ny FID ny mahakasika izay.”