American Corner vaovao – Mampifandray an’Antananarivo sy Etazonia ary izao tontolo izao

Aly

Ny American Corner Antananarivo vaovao, izay natsangana eny amin’ny Oniversiten’ Antananarivo dia sady hanampy betsaka ireo mpianatra sy ireo sampam-pampianarana ary ny olon-drehetra maniry hanao fikarohana, no hanamafy ny fifandraisana eo amin’Antananarivo sy Etazonia ary izao tontolo izao. Notokanan’ny Ambasadaoro Amerikana Claire Pierangelo, sy ny Filohan’ny Oniversiten’ Antananarivo Mamy Ravelomanana omaly, ny American Corner vaovao, eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, izay hanokatra amin’ny fomba ofisialy ny tontolon’ny fikarohana sy ny fampianarana avo lenta ho an’ity Oniversite ity sy ny vahoaka Malagasy.

Ny American Corner Antananarivo dia fiaraha-miasan’ny Masoivoho Amerikana eto Madagasikara, sy ny Oniversiten’Antananarivo ary ny Sampam-pampianarana teny Anglisy ao aminy. Ny vahoaka amerikana, tamin’ny alalan’ny governemanta Amerikana, no niantoka ireo fitaovana mitentina 50000 dolara ao anatiny. Ny Fondation Axian no nanome ny internet haingam-pandeha ampiasaina ao.

Notsipihan’ny Ambasadaoro Amerikana Pierangelo ny lanjan’ity American Corner vaovao ity, raha nilaza izy fa “pejy vaovao eo amin’ny fifandraisan’ny Oniversiten’Antananarivo sy ny Masoivoho Amerikana, no nisokatra androany. Fotoana izay hafahan’ireo rafitra ireo manana fijery sy fisainana misokatra amin’izao tontolo izao, sy mandray andraikitra eto an-toerana – na ilay hoe “think global, act local”– sady miara-miasa hanome fahafahana hahazo fiofanana avo lenta ho an’ireo mpianatra sy ny mpampianatra ary hanamafy orina ny kalitaon’ny fampianarana eto amin’ity Oniversite sangany eto Madagasikara ity”.

Ny American Corner Antananarivo dia iray amin’ireo American Corners telo eto Madagasikara ary tafiditra ao anatin’ny tambazotran’ireo ivon-toerana maherin’ny 700, mitovy aminy maneran-tany, izay tantanan’ny governemanta Amerikana hizarana vaovao azo antoka momba an’i Etazonia sy izao tontolo izao. Ny American Corner dia manome fahafahana ho an’ny rehetra hamantatra ny kolontsaina Amerikana, sy ireo soatoavina iombonana eo amin’ny Amerikana sy ny Malagasy, hanohy ny fianarany, hanovo ireo fahaiza-manao momba ny teknika sy ny fandraharahana ary hanatsara ny fahaizana teny anglisy. Ny tena goavana amin’ireo tolotra omen’ny American Corner dia ny fanampiana ny tsirairay na vondrona iray handray anjara amin’ny hetsika ampitain-davitra sy afaka atrehina mivantana, momba ireo lohahevitra izay mikasika mivantana ny fiarahamonina sy ny firenena ary izao tontolo izao.