EDITO 11 Febroary – Ny tsy fahamarinana manjaka, no mampikorosy firenena toy izao

Sôh’son

Mitsingerina amin’ity andro ity ny faha-48 taona namonoan’ireo fahavalom-pirenena ny kolonely Ratsimandrava Richard, enina andro monja nitondrany ny firenena, ny 11 febroary 1975. Mazava loatra, fa misy sokajin’olona, ary olom-bitsy ireo, tsy mahazaka ny fomba fiasany mahitsy ary te-hanandratra marina ny vahoaka malagasy sy ny firenena. Hoan’izay nahalala, dia tsy nisalasala mihitsy ny tenany, tamin’izy tomponandraikitra, ny namaky bantsilana ny tetika maloto nangoronan-karena teto amin’ity firenena ity nataon’ireo olom-bitsy ireo. Nanam-piniavana ny hametraka ny fahamarinana, indrindra teo amin’ny lafiny fitantanam-pirenena, ny tenany na izy tamin’ny toeran’ny minisitra na izy tsy niamboho adidy nandray ny andraikitry ny filoham-pirenena. Very olomanga tamin’izay andron’ny 11 Febroary izay ny vahoaka malagasy.

48 taona aty aoriana, mbola tsy tafapetraka ny tsy fahamarinana eo amin’ny lafim-pitantanana izay miseho amin’ny sehatra sy endrika maro samihafa. Ao anaty fahalovana tanteraka ny firenena ary zary voahitsakitsaka ny rariny sy hitsiny. Mipoitra eto avokoa ankehitriny ny endrika ratsy rehetra tsy fahita tany aloha tany. Rehefa manara-baovao sy mamakafaka, dia hahatsapa fa miha-rakotra tambazotra-na “mafia” ny sehatra samihafa misandrahaka iainana eto amin’ny firenena. Ireo no miezaka ny mifehy ny fiainam-pirenena sy ny fiainam-piarahamonina eto. Mangeja mangina na an-tsokosoko miafina ny fiainan’ny vahoaka malagasy izany ary mamaritra ny lasin-tsainy.

Nisarika ny sain’ny maro ny nandre ny laharan’i Madagasikara amin’ny resaka famotsiam-bola sy ny famatsiam-bola ny asa fampihorohoroana. Ratsy toerana ny firenentsika ary mbola aorian’i Mozambika sy Repoblika Demôkratikan’i Kongo na RDC. Voalaza fa niha-nitombo ny fidiran’ny vola tsy mazava niditra an-tsokosoko teto Madagasikara tamin’ny taona 2022, raha niohatra ny tamin’ny 2021. Mbola misy aza ny fanahian’ny maro ny amin’ny mety hitomboan’izany amin’izao resaka fifidianana hoavy izao. Tsy fahamarinana misy eto amin’ny firenena izany. Santionany ihany izany, fa maro ny tranga amin’izany ho amin’ny resaka tombontsoa manokana, na amin’izay tanjona tiana hokendrena hahazoana toerana eo amin’ny fitantanam-pirenena mba hangoronan-karena. Mazava loatra, fa ny sarambabem-bahoaka hatrany no mifafa kiho sy mizaka ny vokatr’izany, ka mampahantra azy hatrany.

Tsy hita mazava sy tsy tsapa hanam-piniavana hampanjaka ny fahamarinana marina eto amin’ity firenena ity ny fitondrana Rajoelina ankehitriny mitantana ny firenena ity. Efa niseho izany tato anatin’ny taona maromaro farany, ary mbola ahiana aza ny hitohizan’izany raha mitodika eo amin’ny lafiny fanomanana ny fifidianana. Manaporofo izany ireo nambaran’ny antoko mpanohitra izay tsy matoky ny momba ireo rantsa-mangaika misahana ny fanomanana sy ny fikarakarana izany, sy ny mahakasika rehetra ny amin’izay fifidianana izay. Ny tsy fahamarinana tsy mampandroso firenena, no vao mainka manapotika azy aza.