RY MPANONGAM-PANJAKANA !

Ny mpanongam-panjakana no hiantso fitoniana,
Teloambinifolo taona, miampy kely aty aoriana?
F’efa ho rendrika ny sambo, tsy nahomby ny natao,
Vao hiantsoantso hoe “tsy lera”, mbola tsy fotoana izao?

Ny mpanongam-panjakana no hiantso mafy hoe:
Voarara sady tsy azo atao ny midina eny an-dalambe?
Ho an’iza irery ny lalàna, hoatry ny manjavozavo.
Tena mila hazavaina ry mpitsara eny amin’ny avo!

Ny mpanongam-panjakana no manao fanambaràna
Ka milaza fa ilaina, ilaina ny fifamelana?
Vao nandray ny fitondrana, tsy mba nety hiray lambanana,
F’efa ho tapaka ny seza vao handrary fihavanana?

Ry mpanongam-panjakana, izao no saino, tadidio:
Amboary ny fiteninao hoe “tsofintsika fotsiny io”.
Ny lalitra no azo tsofina, dia mangina sy mitsoaka,
Saingy tsy mba toy izay ny fitantanana vahoaka!

DADAN’i RIANA (08-02-23)