9 novambra 2023 ny fifidianana filoha – “Bye bye” Rajoelina alohan’ny 9 septambra 2023

Isambilo

Ho tanterahana ny alakamisy 9 novambra 2023 ny fifidianana Filohampirenena fihodinana voalohany eto amintsika, ny alarobia 20 desambra ny fihodinana faha-2, araka ny novolavolain’ny Birao maharitra eo anivon’ny CENI, na ny Vaomieram-pirenena Maheleotena misahana ny Fifidianana eto amintsika, navoakany omaly teny amin’ny foiben-toerany Alarobia Ivandry.

Araka ny voalazan’izy ireo, efa nalefa any amin’ny governemanta io daty io, sy ny tetiandro mifanaraka amin’izany, ary efa nalefa nakana ny hevitry ny HCC, na Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana koa. Araka ny voalazan’ny lalampanorenana, raha hirotsaka hofidiana ny filoha am-perinasa dia ny filoha Andry Rajoelina, tsy maintsy hametra-pialana izy 60 andro mialohan’io daty io, izany hoe: tsy maintsy hametra-pialana izy mialohan’ny 9 septambra 2023, ka ny filohan’ny Antenimierandoholona no hisolo azy, mandra-pandraisan’ny filoha vaovao ho voafidy ny toerany.

I Herimanana Razafimahefa no hisolo azy, raha tsy hisy ny fiovana. Izany hoe “bye bye”, na veloma tsy hiverina ho filoha intsony Rajoelina mialoha io datin’ny 9 septambra io, izany hoe: afaka 7 volana eo sisa, na 210 eo dia tsy hiverina amin’ny toerany intsony Rajoelina: filoha mpampijaly vahoaka, mpandainga, mpanao kobaka am-bava, mpivadibadi-dela lava,…