Tranga – Nieren-doza ny depioten’Ambositra

Stefa

Nitrangana lozam-pifamoivoizana omaly tamin’ny lalampirenena faha-7 (RN7) iny, nieren-doza tamin’izany ny depiote voafidy tany Ambositra ao amin’ny faritra Amoron’i Mania. Latsaka an-tanimbary tany amin’ny lalana Ambohimanjaka, lalam-pirenena faha 7, ny fiara nitondra ny depiote Simon Nomenjanahary (Fandrava), voafidy tao amin’ny distrikan’Ambositra. Vokatry ny tsy fahatomombanan’ny fiara no nahatonga ny loza raha ny filazany. Naratra izy ka nentina tao amin’ny Hopitaly Ambohimanjaka ary efa nahazo fitsaboana. Ny lalana ratsy, izay tsy vitan’ny fitondrana Rajoelina ihany koa no anisan’ny mitera-doza amin’ny lalampirenena, toy izany no mitranga amin’ny lalampirenena faha-7 ity.