Fitotongan’ny vidin’ny lavanila – Nampiaka-peo koa ny any Sambava

Aly

Nampiaka-peo koa amin’izao fotoana ny any Sambava faritra Sava, noho ny fitotongan’ny vidin’ny lavanila any an-toerana. Tao aorian’ny tany Mananara Avaratra, Maroantsetra arak’izany, tsy faly amin’ny fitondrana Rajoelina noho ny fijotson’ny vidin’ny lavanila koa ny any Sambava. Noho izay antony izay, nampiaka-peo ny depiote Jack. Tsy rariny ny zava-misy mahakasika ny resaka lavanila hoy izy. Nampiaka-peo ny depiote Mamangy Norbert, fantatra amin’ny solon’anarana depiote Jack, izay voafidy tao Sambava, mahakasika ny vidiny lavanila. Lasa antso an’efitra ny antso rehetra natao ho an’ny tompon’andraikitra sy ny fitondram-panjakana, hoy izy. Hanao fifidianana ve ny fitondrana, hoy ihany ny depiote Jack? Tsy hisy vato ho azon’ny mpitondra intsony aty Sava, raha mbola hilatsaka, raha tsy voavaha io olana io, hoy ihany ity olom-boafidy ity. Efa nitranga ny olana noho ny ampihimamba amin’ity reasaka lavanila ity, izay vao niantso fifampidinihana tamin’ireo mpandraharaha ny fitondrana omaly, azo lazaina ho efa tratra aoriana izany, satria efa tsy faka nanondrana intsony izy ireo, satria voafetra ihany ireo mpandraharaha nahazo fahazoan-dalana tamin’ity taona ity.