Me Eric Rafidison – Atsaharo tanteraka ny fanenjehana, avoahay Rolly Mercia

Stefa

Tontosa ny talata teo, teny amin’ny fitsarana Anosy ny fitsarana ny raharaha mahavoasaringotra an’i Rolly Mercia. Ilay resaka fijoroana vavolombelona tamin’ny raharaha mandeha any Paris, no niakarany teny amin’ny fitsarana. Niziriziry hatramin’ny farany ny tenany ary nitazona tanteraka ny tsy famoahana ny tokony ho fantatra rehetra momba io fijoroana vavolombelona io, na dia nosokirin’ny fitsarana mafy azy. Taorian’ny fifandaharana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany, dia nilaza ny mpitsara fa amin’ny 14 febroary izao, no hamoahana ny didim-pitsarana momba ity raharaha ity. Ny Mpisolovava azy, Me Rafidison Eric, dia nangataka ny hamoahana amin’izay an’i Rolly Mercia, sy ny fampitsaharana tanteraka ny fanenjehana, ka ilazana fa tsy mahefa ny fitsarana eto noho ny tsy maha ara-dalàna ny fitoriana. Amin’ity mpisolovava ity, resaka politika tanteraka no fototry ny fanenjehana ny olona arovany. Raha tsiahivivina, efa voheloky ny fitsarana higadra an-tranomaizina mandritra ny 44 volana ity minisitry ny Serasera teo aloha ity.
Isan’ireo voafonja tafiditra amin’ny fahazoana ny fanalefahan-tsazy nomen’ny Filohan’ny Repoblika Rajoelina farany teo ny tenany, nefa dia mbola tsy navoaka ny fonja ihany hatramin’izao.