KMMR, TIM, RMDM, PPMR, HVM, Toliara – Miaray hina hanilika ny fitondrana tsy mahomby amin’izao

Niaina

Nifampitaona tao amin’ny Magro Toliara, faritra Atsimo Andrefana, ireo mpikambana KMMR any Toliara ny faran’ny herinandro teo, nanao fifampiarahabana tratra ny taona. Nisy fiaraha-misakafo ho nofon-kena mitam-pihavanana sy fanalana hetaheta. Samy niara-nientana tamin’izany koa ny TIM, ny RMDM, PPMR, ny HVM any an-toerana.

Nanampy tamin’ny hoenti-manana ny filoha Marc Ravalomanana araka ny nambaran’ny iray amin’ireo mpikarakara, kolonely Rabe Jules, izay filohan’ny KMMR any amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Nanambara izy tamin’izany fa: ”raha atao bango tokana ny zava-nisy dia mankasitraka antsika rehetra isam-pokontany, arrondissements, isika avy agny Toliara-II, ianareo vahiny nasaina namana mpitolona: TIM-HVM-PPMR-RMDM, ianareo association rehetra. Tonga tokoa ianareo nanome voninahitra izao lanona fiarahabana tratra ny taona nataon’ny KMMR izao. Mahavelo bevata rolahy. Gny solidarité izay efa misy amintsika no hatombontsika sy hampirorobointsika mba hihamafy hatrany hatrany. NDAO TSY HO TARA SAMBO”.

Naneho firaisankina ihany koa izy ireo ho fanilihana ny fitondrana tsy mahomby amin’izao fotoana.