Barea Chan – Nahazo “Prime” mitentina 200 tapitrisa Ar avy amin’ny Telma

Rainilita

Ny orinasa Telma sy ireo tambatr’orinasa mivondrona aminy, ao amin’ny Axian, izay “Sponsort N°1” ny Kitra Malagasy, no voalohany nanolotra “Primes” hoan’ireo mpilalaon’ny Barea Chan tany Algérie, sy ireo “Staff technique” niaraka tamin’izy ireo, nanandratra ny voninahi-pirenena tamin’ny nahatafakarana tamin’ny dingana ankatoky ny famaranana tamin’ny fifaninanana Chan andiany faha-7 notontosaina tany Algérie.

Raha ny tena marina dia nahazo “Prime” mitentina 200 tapitrisa Ar avy amin’ny Telma izy ireo, ka tao anatin’izany ny lelavola 136 tapitrisa nomena an’ireo mpilalao ary ny fanolorana Smartphnes Samsung 4G S22 sy A22 tsirairay avy an’ireo delegasiôna niisa 40 ary koa ny “abonnement Telma ET 25 GO mandritra ny 12 volana ary Carte Visa M-Vola tsirairay avy sy “Gillet Telma” tsirairay avy ihany koa. Teny amin’ny “Campus Telma Andraharo”, no nanoloran’ny “Administrateur Directeur Général de Telma”, Andriamatoa Patrick Pisal Hamida, an’ireo rehetra ireo, nanoloana ny mpanao gazety sy ny filoha lefitry ny FMF nisolotena ny filohany ary ny Ambasadaoron’i Algérie miasa eto Madagasikara.

Tena nampientana ny fo sy nampiray saina ary nanome fahafinaretana tanteraka anay taty alavitra ny nataonareo tany Algérie, hoy Andriamatoa Patrick Pisal Hamida “Administrateur Directeur Général de Telma”, ka mendri-pankasitrahana ary irarianay mba ho ianareo mpilalaon’ny Barea Chan ireo, no ho “Ossature”-n’ny Barea Can amin’ny lalao rehetra mbola hataony. Mbola hanohy ny fanohanana ny Kitra Malagasy hatrany toy izay efa 15 taona nataony izay ny Telma, hoy izy.