Fametrahana ny Eveka tompon-toerana – Ho fety be any Mahajanga mandritra ny 4 andro

Aly

Hapetraka amin’ny fomba ofisialy, sy hamasinina amin’ny faran’ity herinandro ity ny Eveka vaovao tompon-toerana any amin’ny diosezin’i Mahajanga, Mgr Zygmunt Robaszkiewicz. Arak’izany, ho fety be any amin’ny Diosezin’i Mahajanga mandritra ny 4 andro, hanomboka ny alakamisy ho avy izao. Evekan’i Diosezin’i Morondava izy teo aloha, fa notendren’ny Papa Ray Masina ho Evekan’ny Diosezin’ny renivohitr’i Boeny indray manomboka izao.

Ny alakamisy 9 febroary izao dia efa hanomboka ny hetsika rehetra amin’izao lanonana ara-pinoana izao. Ny alakamisy io, hanomboka amin’ny 3 ora tolakandro manoloana ny Lapan’ny Tanànan’i Mahajanga: fanentanana lehibe miaraka amin’ny antoko mpihira rehetra. Amin’ny 4 ora, fitsenana manetriketrika ny Eveka vaovao any Ampariamahitsy. Amin’ny 5 ora, fandraisana ny Eveka vaovao ao amin’ny Katedraly Mahajanga, harahana fitsaohana ny Sakramenta Masina. Ny zoma 10 febroary amin’ny 1 ora sy sasany tolakandro, fitsenana amin’ny fomba miavaka ny Nonce Apostolika any amin’ny seranam-piaramanidina Amborovy. Amin’ny 7 ora hariva, fitsenana manetriketrika ireo Eveka rehetra eto Madagasikara, ao amin’ny Katedraly. Ny sabotsy 11 febroary, amin’ny 7 ora hariva, alim-bavaka harahana fijoroana vavolombelona, sy antsam-panahy lehibe ao amin’ny Katedraly. Ny alahady 12 febroary, amin’ny 8 ora maraina ao amin’ny Katedraly, Sorona Masina lehibe hametrahana amin’ny fiketrahana maha-Evekan’ny Diosezin’i Mahajanga azy, Mgr Zygmunt Robaszkiewicz.

Teny filamatr’izao fety ara-pinoana eo amin’ny EKAR, na ny Eglizy Katolika Apostolika Romana any an-drenivohitr’i Boeny izao dia ny teny ao amin’ny Evanjely Masina: Md Joany 17- 17: ”ankamasino amin’ny fahamarinana izahay, ny Teninao no fahamarinana.”