Antoko TIM Ivato – Sahy, tsy hanaiky lembenana amin’ny raharaham-pirenena

Niaina

Nifampiarahaba tratry ny Asaramanitry ny taom-baovao, tany amin’ny Espace Le Millenium Andradindravola Ivato ny alahady teo, ny avy amin’ny antoko TIM Ivato. Nanome voninahitra ny fotoana tamin’izany ny depiote voafidy tany Ambohidratrimo sady kestoran’ny Antenimierampirenena, Mamy Rabenirina, teo ihany koa ny avy amin’ny birao politikan’ny antoko nahitana ny mpandrindra nasionaly Jean Claude Rakotonirina, sy Julien Andriamorasata.

Nisongadina tamin’ny lahateny nifandimbiasana nandritra izany, fa hijoro hatrany, ho sahy, tsy hanaiky lembenana amin’ny raharaham-pirenena ny mpikatroka avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara eny Ivato. Nisy ny omby novonoina, ho nofon-kena mitam-pihavanana nandritra izao lanonana izao. tsy nanadino ny Tim Ivato, fa nanolotra solombodiakoho ho an’ny birao politikan’ny antoko amin’izao tonon-taona izao.

Anisan’ny nitoto nahafotsy sy nahandro nahamasaka izao lanonana izao koa ny Jeune Tim Ivato. Ny masoandro nilentika, no nampalahelo tamin’io fotoana io tany an-toerana.