EDITO 7 Febroary – Filoha Rajoelina – Tompon-daka tsy mba notsenaina tamin’ny fomba makotroka

Andry Tsiavalona

Tafakatra teo amin’ny manasa-dàlana ny Barea tamin’ny CHAN baolina kitra natao tany Algérie kanefa resy tamin’izany. Rehefa nifandona tamin’i Niger kosa izy ny Zoma 03 Janoary lasa teo dia nandresy ary nahazo ny laharana faha-3, ka nitondra nody ny medaly Alimo. Vao nahita izany ny gasy dia nihorakoraka namakivaky ny tanàna teto an-drenivohitra naneho ny hafaliana, ny tsy azo ekena kosa dia nisy ny fanimban-javatr’olona nataona andian’olona toy ny teny Ambohipo izay mitory fahambanian-tsaina.

Tsiahivina fa na dia latsaka teo amin’ny ampahefa-dàlana aza ny Barea tamin’ny CAN 2021 dia neverina fa zava-dehibe koa izany teo amin’ny baolina kitra malagasy. Nakotroka ny fitsenana ny ekipam-pirenena tamin’izany ary tsy latsa-danja ny tamin’ny Alahady teo no nitsenana ny Barea CHAN. Raha ny filazan’ny filohan’ny Repoblika dia nivavaka ho an’ny Barea hono izy tamin’ny CAN 2021, ka izany no nahatafakatra ny ekipa tamin’ny ampahefa-dàlana. Nitondra am-bavaka ny ekipa ihany koa hono izy mba ho tonga tamin’ny dingan’ny famaranana ny ekipa CHAN kanjo tsy nahazo valim-bavaka. Na izany na tsy izany dia nitondra medaly nody ny Barea, noho ny ezaky ny mpilalao sy ny mpanazatra ary ireo mpitarika tany an-toerana.

Ankoatra izany, nireharehan’ny filohan’ny Repoblika Rajoelina ny zava-bita sasany, ho tsy nisy na tsy vita na nahazo, raha tsy amin’izao fitondrany izao, ka tsara ny hampahatsiahivina azy ireny raha niteraka fahombiazana sy fampandrosoana ho an’ny Firenena ary nampivoatra ny fiainan’ny Malagasy tokoa. Raha ny eto an-toerana no hiverenana dia tompondaka amin’ny fibodoana seza ny filohan’ny Repoblika, ka porofon’izany ny tetezamiitatra izay roa taona no nifanarahana kanefa dia dimy toana izy teo ihany. Tompondaka ihany koa izy raha eo amin’ny kobaka ambava sy fivadibadian-dela, ka sodoka ny gasy rehefa mikabary izy ka mirefodrefotra ny tehaka satria nanantena zavatra. Iaraha-mahatadidy ny resaka “Miami”, ka notanisainy mihitsy ireo torapasika malaza any Etazonia sy any Frantsa. Kanefa dia nolazainy indray fa diso fandray ny Malagasy fa “miray hina sy mifankatia” hono no tiany nolazaina. Tsy hisy hino mihitsy fa tsy baiko avy any amin’ny filohan’ny Repoblika ny fisamborana sy fanagadrana ireo politisiana na mpanao gazety na mpampaneno lakolosy ireny.

Voahosotra ho tompondaka, tsy fantatra na aty Afrika io na maneran-tany, amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo Rajoelina Andry, ka heverina fa tokony tany Atsimon’ny Nosy misy ny kere izy no notsenaina tamin’ny fomba makotrokotroka tamin’ny fiverenany teto Madagasikara taorian’iny nanosorana azy ho tompondaka iny. Tadidy tokoa fa nizara sakafo masaka tany izy tamin’ny fotoan’andro kanefa tsy izany velively no azo lazaina fa ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, satria tsy nahavita taona izany fa nitohy nihinana ny tsy fihinany ny vahoaka (hoditr’omby maina fanaovana kapa nandrahoina). Tsy mendrika izany tompondaka izany ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara satria raha nikabary izy tany Senegal dia nanao hoe “ny faniriako dia hihinana sakafo sahaza azy avokoa ny olombelona rehetra”. Raha ny eto Madagasikara manokana no resahina dia misakafo ambany foitra ny sivifolo isanjato maherin’ny vahoaka. Torak’izany koa, voahositra ho tompondaka amin’ny fananganana indostria ihany koa Rajoelina Andry, ka raha izay no jerena dia tokony ho nanomana fitsenana azy ho toy ny mahery fo ny tandapa, tamin’ny fotoana niverenany ary tany amin’ny tanàna misy indostria maro no natao izany, ka nofaranana tamin’ny afomanga. Raha tena mendrika izany toeram-boninahitra “tompondaka” izany Rajoelina Andry dia nitodika taty Madagasikara daholo ny mason’izao tontolo izao ary niarahaba azy ny filoham-pirenena na filoham-panjakana any ivelany rehetra.

Laharana fahatelo, nahazo medaly alimo, tamin’ny CHAN ny Barea, nanetriketrika ny nitsenana azy ary ireo vahoaka sahirana sy mahantra no tena nihazakazaka nankeny Mahamasina, asa nanantena inona, kanefa afomanga no niafaran’ny fitsenana fa tsy nisy ady tamin’ny hanohanana.