FIFIDIANANA 2023

Hatreto tsisy fanondroana tetikandrom-pifidianana,
Fa dia mbola tsy mazava sy mifono misitery.
Ny mpitondra mody seriny ny amin’izay ho fanomanana,
Saingy raha ny zava-misy, tena mampiteny irery!

Ny komitim-pifidianana toa mivadibadi-dela.
Miankina amin’ny vola, hono, no hahafahana mamaritra.
Izy anefa dia mazava sy efa fantatra hatry ny ela,
Fa tsy mahaleotena raha ny hita sy tsikaritra.

Ka dia “pasipasy baolina”, izany izao no ifanaovana.
Miala bala ireo mpitondra ny amin’ny zavatra hanadinana.
Feno fotaka mandrevo iretsy kianja filalaovana,
Tsisy ny mangarahara, very ny fahamarinana!

Tena toy ny nofinofy ny hisian’ny fifidianana
Amin’ny endriny madio no sady eken’ny rehetra,
Fa aty am-panombohana, eny aty am-panomanana
Dia miseho ny kajikajy miharo tetika voretra!

DADAN’i ZINA (02-02-23)