TSY HADISOANA NY MIOVA FITÀNA

Fahadimy eo alohan’ny farany,
Izay no misy an’ilay Gasikarany.
Saingy hatreto toa mbola tsy taitra,
Ilay mpitarika miseho ho raitra.

Fa ny dihiny no indro tohizany,
Ny hadalany no mbola ikirizany,
Ka dia mazavabe ny tantarany
Fa tsy maintsy any an-kady no farany!

Raha ny momba harin-karena,
Efa tena mampanongo tena.
Miiba fito isan-jato any ho any
Tao anaty fotoam-pitondràny!

…Ka dia mihevitrevera ry gasy,
Fa rah’ zao no mitohy eto an-dasy,
Tena ho gisitra isika atsy ho atsy
F’efa maina ary koa lany vatsy!

Tsy hadisoana ny miova fitàna,
Rehefa diso ny lala-nombana.
Ivereno ny lala-mazava,
Andosiro ny olo-mpandrava!

IRINA HO TAFITA (05-02-23)