Fifidianana – Mbola tsy nanolotra datim-pifidianana hatreto ny CENI

Stefa

Mbola tsy nanolotra datim-pifidianana hatreto ny CENI, na ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana, na dia efa nanambara aza izy ireo fa ho amin’ity taona ity ny fifidianana. Ny antony araka ny efa iaraha-mahalala araka ny efa voalazany, tsy ampy ny eo am-pelatanana, ny mpamatsy vola koa hatreto mbola tsy nandrotsaka, satria raha ny fiheverany toy ny fahitan’ny maro azy koa dia tsy mahaleotena ity rafitra ity, toy ny HCC ihany koa. Tsy nisy resaka io tetiandro amin’ny fifidianana io, na nanatontosa valandresaka ho an’ny mpanao gazety aza ny CENI omaly.

Navoitra kosa nandritra izany ireo dingana efa vita sy ireo dingana manaraka amin’ny asa fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy sy ny rejisi-pifidianana nasionaly. Natao izao hoy izy ireo, mba hampisy mangarahara amin’ny fanatanterahana ny asa sy mba ho fanomezam-baovao ny olompirenena ary fangatahana fiaraha-miasa amin’ireo Haino Vaky Jery amin’ny fizarana vaovao marina sy asa fanentanana ary fanabeazana.

Nambaran’ny Filohan’ny CENI, fa ny fanisana isan-tokantrano no nifarana tamin’ny 31 janoary 2023, fa ny fanoratana anarana eny anivon’ny biraom-pokontany kosa dia mbola mitohy. Manentana hatrany ireo olompirenena amin’izany fisoratana anarana anaty lisitry ny mpifidy izany ny CENI ary nampahatsiahy ihany koa ny anjara andraikitr’ireo hery velona rehetra amin’izany.

Raha ny tarehimarika vonjimaika : 9 675 145 hatreto ireo mpifidy nisoratra anarana ao anatin’izany lisitra izany.