Barea CHAN, an’ny Malagasy rehetra – Ho tsenaina amin’ny fomba makotroka rahampitso alahady

Rainilita

Hifarana anio sabotsy ny fiadiana ny ho tompon-dakan’i Afrika ho an’ny ekipam-pirenena na ny CHAN 2022 atao any Algeria. Nitondra avo ny voninahitr’i Madagasikara ny Barea Chan, satria tafakatra tamin’ny dingan’ny manasa-dalan’ity fifaninanana baolina kitra Afrikana ity, niady ny laharana faha-3 tamin’i Niger omaly, ho taterina amintsika eto ihany ny vokatr’izay. Fa noho ny nahatafakaran’ny Barea Chan tamin’ny ½-dalana, sambany eo amin’ny tantaran’ny baolina kitra Malagasy, hotsenaina amin’ ny fomba makotroka rahampitso alahady ny Barea, amin’ny 1 ora 40 min no ho tonga eny Ivato izy ireo rahampitso.

Hiainga eo Ivato ny rehetra, hihazo an’i Talatamaty, Ambohibao, 67 ha, Ampefiloha ary hifarana ao amin’ny kianja Barea Mahamasina. An’ny Malagasy rehetra ny Barea Chan, ka tsy tokony hampidirana resaka politika, ny mpitondra anefa mbola hampiditra resaka politika amin’izay fitsenana an-dry Rôrô sy ny ekipany izay.

Fa momba ity fifaninanana Afrikana ity, anio sabotsy 04 febroary 2023 ao amin’ny kianja “stade Nelson Mandela de Baraki (Alger)”, no hanatanterahana ny famaranana ny fifaninanana baolina kitra “Chan 2022 – Algérie 2023”, izay notanterahina tany Algérie nanomboka tamin’ny zoma 13 janoary 2023. Ekipam-pirenena tototanana 2, tamin’ireo 17 nandray anjara, no hiatrika an’izany lalao famaranana izany dia ny “Fennecs d’Algérie” sy ny “Lions de l’Atlas du Sénégal” manomboka amin’ny 10 ora sy 30 min alina Malagasy.

Tombanan’ny mpanaraka baolina kitra maro manerana an’izao tontolo izao ho “favoris” amin’ity fihaonana ity i Algérie mpampiantrano, noho izy milalao an-taniny, ka ho tohanan’ireo mpijery baolina an’alinalina ao aminy. Tsy latsa-danja kosa anefa, etsy an-kilany, ny ekipam-pirenen’i Sénégal noho izy mbola mitoetra ho sangany aty Afrika hatreto eo amin’ity sehatry ny baolina kitra ity. Ho hita eo ny vokany fa ny “Bao-lina boribory”.