Fanampiana vonjy tavanandro ny traboina – Anakonan-dry Rajoelina ny tsy fahaiza-mitondra firenena

Sôh’son

Miharihary ankehitriny ny tsy fahafehezan’izao fitondrana izao ny fitantanana ny firenena, ary tsikaritra ny fahabangam-pahalalana ao aminy. Tsy atao hahagaga velively raha toy izao ny zava-misy iainan’ny vahoaka malagasy. Miharitra ny mafy sy fadiranovana amin’ny fidangan’ny vidim-piainana isan’andro. Hatramin’ny entana madinika indrindra toy ny fanjifan’ny zaza ankizy, ny biscuits sy ny karazam-batomamy no iharan’izany, fa tsy ireo fanjifan’ny mponina andavanandro na ny PPN fotsiny. Tsy misy izay tsy misondro-bidy na koa ny sasany nihena ny habeny. Amin’ny sehatra rehetra mihitsy amin’ny filan’ny mponina no tsy voafehin’izao fitondrana izao intsony ny vidiny, ka mifafa ny kihony ny sarambabem-bahoaka. Tsy olan’ireo vitsy an’isa mpanefoefo mpangoron-karena eto amin’ity firenena ity izany, dia ireo 8% ny malagasy. Ireo ilay tsy manao vain-drahalahy tsy mba marary, tsy mba mijery ny maha fadiranovana ny vahoaka, fa mirona mankany amin’ny fanasohasoana ny fitondrana sy misolelaka azy. Ireo olona tsy miraika amin’ny fahoriam-bahoaka sy milaza ho mandroso ny firenena no tena azo lazaina ho manapotika sy manimba izao firenena ho toy izao. Tsy mendrika ny Malagasy izao zava-misy iainany izao, ary tsy eken’ny saina ny mbola haharetan’izany.

Nambara teto tamin’ny farany, fa akorontan-dRajoelina ny fahalalana efa nomena ny mpianatra any an-tsekoly any momba ny atao hoe “fotodrafitrasa”. Talohan’izany ny efa nandisoany sy ireo mpiara-dia aminy ny amin’ny hoe « Plan Marshall », ankoatra ny tantaran’ny fiangonana. Ankehitriny dia miseho hanao laharam-pahamehana ny sosialim-bahoaka ny tenany. Ho voafehy koa ve anefa ny atao hoe lafiny “sosialy”? Nazava ny nambaran’ny mpahay sy mpamakafaka, tsy vitan’ny kitolotolotra kely vonjimaika etsy sy eroa na any amin’ny faritra samihafa ny fanatsarana ny sosialim-bahoaka. Tsy hoe rehefa midina an-tsehatra miaraka amin’ny vahoaka traboina sy manao fanomezana kely ho azy ireo dia tena miasa sy mijery ny sosialim-bahoaka. Asa tsy maintsy ataon’izay mpitondra rehetra eo amin’ny fitondrana sy amin’ny tranga toy izao izany, ary andraikitra napetraka aminy izany.

Aoka tsy hamitaka vahoaka fa efa be dia be izay fitaka natao azy izay tato anatin’ny efa-taona mahery izay. Famitahana ny sarambabem-bahoaka sy fanararaotana ny manjo azy eo amin’ny fiainana ho amin’ny fiarovana-tseza sy tombontsoa manokana no nampikorosy fahana ny firenena ho toy izao eo amin’ny lafiny maro. Ny fanatsarana ny sosialim-bahoka sy ny fitsinjovana izay hahasoa ny vahoaka dia vao manomboka handraisana fitondrana dia efa tanterahina izany. Tsy mila miandry akory ny vola fanampiana avy any ivelany aza izany. Tsy miandry efa hamarana ny fotoam-piasana vao mody mihetsika. Efa fihatsarambelatsihy anakonana ny tsy fahaiza-mitondra firenena izany, n’inona n’inona fanazavana.