Fanjakana tsy mahaloa volan’olona – Nitaky ny volany ireo orinasa mbola tsy nahazo ny karamany

Niaina

Tsy mahaloa volan’olona hatrany izao fitondrana Rajoelina izao. Noho izay antony izay, nitaky ny karamany ireo orinasa mbola tsy nahazo ny tambin’ny asa nataon’izy ireo. Nanao hetsika fanairana ireo fournisseurs sy entrepreneurs nanao asampanjakana toy ny fournitures de bureau, consommables informatiques, panier garni, tolotra sakafombiby, asa amin’ireo manara-penitra… teny amin’ny Tahirimbolam-panjakana Antaninarenina. Efa vita na “consommé” avokoa ny asa. Efa nahazo “ordre de virement”, nefa tsy mbola tonga any amin’ny kaontin’izy ireo ny vola hatramin’izao. Izy ireo anefa efa rahonan’ny karana tompon’entana hogadraina satria tsy mahaloa vola.

An’arivony izy ireo manerana ny Nosy no tratran’izany. Saingy ireo teto Antananarivo no nanao hetsika nanoloana ny Paierie Générale Antaninarenina. Amina miliara Ariary maromaro ny fitambaran’ny volan’izy ireo tsy voaloa, ka hanaovany antso avo amin’ny Filohampirenena sy ny tompon’andraikitra mahefa, mba hamaha ny olany fa tena sahirana mafy izy ireo.