CRAAD-OI, MA.ZO.TO, FI.MA , F.A.R.M ary ny RJDD – Manohitra ny tetikasa fasimainty an’ny Base Toliara

Helisoa

Nanao fanambarana miaraka manohitra ny fitrandrahana fasimaity ao Toliara ny fikambanana maro: toy ny centre de recherche et l’appui pour l’alternatives de developpement – Ocean Indien (CRAAD-OI ) ny fikambanana Miaro Aina Zon’olombelona Tontolo (MA.ZO.TO)iainana, Femme en Action Rurale de Madagascar (F.A.R.M ); ny Réseau des jeunes pour le Developpement Durable (RJDD ) ary ny Fikambanan’ny Masikoro Arivolahy ( FI.MA). Nambaran’izy ireo tamin’izany, fa tokony hanatsahatra ny firaisana tsikombakomba eo amin’ny olomboafidy amin’ny orin’asa avy any ivelany hanaovana tery vaimanta ny fokonolona voakasika hanaiky ny fitrandrahana mampidi-doza Base Toliara, izay efa nolavina ankitsirano hatramin’izay.

Tsapa hoy ireto fikambanana ireto, fa tao anatin’ny volana vitsivitsy teny amin’ny haino amanjery dia mandefa fanambaràna tsy ankijanona ireo manampahefana sy olomboafidy ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana izay hita fa niova soratra ho mpanera sy mpikolikolim-pifandraisan’ny orin’asa Australiana Base Resources, mba hahafahany miverina mandray ny asa fitrandrahana amin’io Base Toliara io. Manoloana ny fiparitahan’ny tsaho momba ny fanambaràna tsy azo ivalozana hiverenan’ny asan’ny Base Toliara dia manambara ireo fikambanana maro voatonona etsy ambony, mampahatsiahy ny filohampirenena sy ny manam-pahefàna voakasika, fa amin’ny olom-pirenena izay nifidy azy no hananany tamberin’andraikitra voalohany amin’ny fanajàna sy fiarovana ary fanatanterahana ny zon’ireo olompirenena ireo.

Noho izany, manao antso avo amin’ireo mpitondra izahay hoy izy ireo, mba hihaino ny feon’ny fokonolona izay tsy mitsahatra mitaky isan-taona ny hanajanonana tsy misy hatak’andro ity tetik’asa Base Toliara ity, ary ny fanampiana azy amin’ny fomba sahaza ho fampandrosoana ny seha-pihariana ivelomany amin’ny fambolena sy fiompiana ary ny jono nentim-paharazana.