Boriboritany faha-6 – Nanampy ireo mpijinja vary ny depiote Todisoa

Stefa

Depiote Todisoa Andriamampandry ao amin’ny Boriboritany faha-6, nanampy ireo mpijinja vary amin’ny lemak’i Betsimitatatra ny tenany tamin’ity herinandro ity. Vokatra tokoa ny vary eny an-toerana amin’izao fotoana. Fararano ny eny amin’ny lemak’I Betsimitatatra sy Laniera ankehitriny: AMBOHIMANARINA sy ANTEHIROKA. NIJINJA VARY, NITAONA, NIVELY vary ary nanala tsikafona niaraka tamin’ireo tantsaha teny an-toerana ity olom-boafidy avy amin’ny antoko TIM ity, mba hanamora ny fivoahan’ny rano. Nitondra fanampiana ihany koa izy, ho an’ireo traboina sady nankahery azy rehetra ary nampionona izay namoy Havana, noho ny fiakaran’ny rano, ka nandrodana ny trano fonenana. Anisan’ny olom-boafidy tena miara-mihosona amin’ny vahoaka tokoa ity olom-boafidin’ny antoko TIM eny Ambohimanarina ity.