EDITO 4 Febroary – Tsy fanampiana tsy mahavita taona ny sosialim-bahoaka

Helisoa

Resaka sosialimbahoaka indray hono no jerena manomboka izao, hoy i Andry Rajoelina, raha namboly hazo tany Ilaka Est Vatomandry ny tenany. Hajanona daholo hoy izy ny fotodrafitr’asa, fa hifantoka tanteraka amin’ny sosialy amin’izay ny fitondram-panjakàna. Tampoka teo indray tany Marovoay faritra Boeny dia nilaza izy, fa tohizana hatrany ny fotodrafitr’asa izay efa natomboka ary tsy maintsy faranana. Izay ilay hoe tsy hay intsony ny drafitra tena itondràna ny firenena.

Maro ny naneho ny heviny tamin’ireny kabary tany Ilaka Est ireny tamin’ny tambazotran-tserasera sy ny haino amanjery dia niova indray ny fomba fiteny tany Marovoay. Dia toy izany hatrany, aiza moa no andeha ity firenena ity? Raha tena hijery ny sosialimbahoaka ny fanjakàna dia tsy ny fizaràna vary masaka tsy mahavita taona no ilain’ny vahoaka, fa ny fanomezana asa ho an’ny vahoaka Malagasy marobe tsy an’asa ankehitriny, ny fifehezana ny vidim-piainana, fampitomboana ny fahefa-mividin’ny vahoaka,… Mila sokafana araka izany ireo orin’asa nanaovan’ny fanjakàna antsojay; mila hamoraina ny fanokafana orin’asa. Ankoatra izay, tsy mandoa vola eny amin’ny hopitaly fa io no tena mampijaly ny vahoaka, eo ny resaka fanabeazana; ny fambolena sy fiompiana sns …

Marobe ny fampanantenana poakaty nandritra ny propavandy fa tsy nisy tanteraka izany. Tsy misy olona hihaino ronono an-tavy intsony amin’izao 2023 izao, fa efa tonga saina ny vahoaka Malagasy. Fa na izany aza mila atao madio ny fifidianana, tsy ekena anjaka intsony ny halabato be vata.