Andry Rajoelina mandadilady amin’ny SADEC – Tapidalan-kaleha ka mitady hanalava fe-potoana roa taona

Ny Valosoa

Nandritry ny fandalovan’ny SADEC teto Madagasikara ny volana novambra teo dia nangataka fanalavam-potoam-piasana roa taona tamin’izy ireo i Andry Rajoelina, hoy i Paraina Auguste, kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena 2023.

Nambaran’ny solombavambahoaka TIM Todisoa Andriamampandry fa tsy hanaiky izany ny SADEC sy ny vahoaka Malagasy.

Ny Lalampanorenana no iorenan’ny firenena sy arahina, ary milaza mazava fa dimy taona ihany ny fe-potoana iasan’ny filoham-pirenena, izany hoe tapitra amin’ity taona 2023 ity ny an’i Andry Rajoelina. Ka raha sahy milatsaka ho kandida ity farany amin’izao zavamisy izao dia ny 19 septambra no tokony hametra-pialana ary roa volana aorian’izay dia tsy maintsy atao ny fifidianana filoham-pirenena.

“Raha sanatria misy ny ady an-trano na tena misy krizy dia izay vao tokony miditra ny SADEC, fa raha tsy izany dia raharahan’ny firenena manokana ny fanatanterahana ny fifidianana, manaraka ny atao hoe “principe de subsidiarité”. Lalampanorenana no tsy maintsy arahina ary tsy misy fifidianana mihemotra izany eo. Anjaran’ny fanjakana no mitady ny vola anatanterahina izany”, hoy ihany I Todisoa Andrimampandry. “Ny mpiara-miombonantoka dia efa vonona hanara-maso ny fifidianana, ary isaorana manokana ny FFKM nanolo-tena amin’izany”.

“Ataovy madio sy mangarahara ny fifidianana, dia aleo ny vahoaka hisafidy izay tiany. Aza itsahina no hosihosehina ny zon’ny vahoaka fa aleo fifidianana madio dia hita eo izay lany”, hoy izy namarana ny teniny tamin’ny mpanao gazety.

https://fb.watch/irQbj48LkP