Com-TIM Ivato – Hifampiarahaba tratra ny Asaramanitra rahampitso alahady

Isambilo

Na efa miditra amin’ny volana febroary aza isika izao, mbola misy ihany ny fifampiarahabana tratra ny taona vaovao ho an’ny tsy nahavita izany tamin’ny volana janoary teo iny. Toy ny fary lava vany izay fifampiarahabana nahatratra ny Asaramanitra izay, ka tsy lany hamamiana. Noho izay antony izay, hifampiarahaba nahatratra ny taona 2023 ny Antoko Tim Ivato rahampitso alahady 05 Febroary 2023 ao amin’ny Espace Le Millenium Ankadindravola Ivato, hanasan’ny mpikarakara ny mpikatroka Tim Ivato rehetra, ho fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao, hisy ny nofon-kena mitam- pihavanana amin’izany hoy izy ireo. Ireo hiatrika izany dia samy mitondra ny fitaovam-pihinanany.