Boriboritany faha-3 – Nanome fanampiana ireo may trano ny depiote Feno R.

Niaina

Mitohy hatrany ny asa sosialy ataon’ny depiote Feno Ralambomanana, sy ireo mpiara-miasa aminy ao amin’ny Boriboritany faha-3. Ankoatra ireo fanampiana: vola sy fitaovana, izay efa naterin’ny Solombavambahoaka Feno Ralambomanana, ho an’ireo niharam-boina may trano tetsy Ankorondrano Andrefana sy Ankorondrano Atsinanana, dia mbola nandefa ireo mpiara-miasa aminy indray izy omaly, nanatitra tafo fanitso maromaro ho fanampiana azy ireo amin’ny fanarenana ny trano ravan’ny afo, araka ny fangatahan’ireto mponina ireto ihany. Faly ary nankasitraka ny depiote Feno sy ny mpiara-miasa aminy ireto olona traboina ireto, noho izao fanampiana nataon’ity olom-boafidy ity azy ireo.