RY “ZEFA” MIANAKAVY !

Rehefa mahatsiaro ny tena ho “zefa”,
Dia mba mitadiava olo-manan-traikefa
Hanome vahaolana sy hanolo-tsaina,
F’izany no maika ary tena ilaina!

Atsaharo amin’izay ny kabary poakaty
Satria tratra aoriana ary koa lany daty.
Raha ‘zao vao hihevitra ny “sosialy”
Dia efa mpitondra “tsy dia norimaly”!

Farano, farano ny ronono an-tavy,
Efa leo an’izany ‘zahay mianakavy.
Moa hatramin’izay dia tsy nanan-katolotra?
Faly midola amin’ikala bemolotra?

Amboary ny sera fa tonga ny lera.
Aza miandry ny ongotana na koa azera,
F’aleo miala mora, aleo miala mazava,
Ry zatra mpamotika sady mpandrava!

IRINA HO TAFITA (01-02-23)