Filoha Rajoelina – Nakorontany indray ny fahalalana efa ao an-tsain’ny mpianatra

Sôh’son

Nakorontan’i Andry Rajoelina indray ny fahaizana na ny fahalalana efa ao an-tsain’ny mpianatra. Tany Atsinanana nandritry ny lahateniny tamin’ny fambolen-kazo no nitrangan’izany. Zavatra mifanohitra no ambarany, ary asa izy raha mba misy mpanolotsaina akaiky ihany amin’izany. Ny nambarany dia ny amin’ny fampiatoana ny fanaovana fotodrafitrasa aloha fa ny sosialim-bahoaka no ho laharam-pahamehana izao. Taorian’izay anefa dia nilaza izy, fa hatao haingana ny fanamboarana ireo lalana simba, indrindra ireo lalam-pirenena.

Ny tsy fantany na tsy voafehin’ny filohan’ny Repoblika, dia ny atao hoe fotodrafitrasa. Ny lalana anie ka ao anatiny ny fotodrafitrasa, fa afangarony tsotra izao. Ny mpianatra any an-dakilasy mianatra izany, indrindra ny ao amin’ny kilasy famaranana. Impiry handiso zavatra toy izany i Andry Rajoelina? Hatramin’ny tantara rahateo aza efa nodisoany. Lesoka lehibe eo amin’ny fitantanam-pirenena izany, tsy fizarana fahalalana marina ho an’ny vahoaka izany. Mpitranga anefa izany tato anatin’izao fitondrana efa-taona mahery izao.

Etsy ankilan’izany, dia iny niaraha-nahita sy nahalala iny ny voka-dalao nataon’ny Barea tamin’ny fihaonany tamin-dry zareo sônegaly. Samy manana ny fahitany azy ny tsirairay, ary tsy horesahana be eto izany, fa ny hotsindriana hatrany, dia ny tsy fanekena ny tsy idiran’ny resaka politika amin’ny taranja baolina kitra na ihany koa amin’ny sehatry ny fanatanjahantena manontolo mihitsy. Efa nambara teto amin’ny gazety, fotoana elaela izay, tamin’ny andron’ny Barea CAN sy ny nidiran’ny Filohan’ny Repoblika na ireo filohana ligy tamin’ny raharahan’ny Federasiona. Tamin’izany no nilazana fa haratra io taranja baolina kitra io, dia izao niaraha-nahita ny zava-niseho teto na tamin’ny Barea na tamin’ny Federasiona. Saika sy nahiana hiseho indray izany tamin’ireo Barea CHAN izao, izay miatrika lalao any Alzeria. Manimba io taranja io ny fidiran’ny politika.