Rado Ramparaoelina – Ny tsy fahaiza-mitantana no mampikorosy ny firenena fa tsy ny mpanao politika

Franck Razakambelo

Ny tsy fananan’ny mpitondra firenena ankehitriny traikefa eo amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena, no mampikorosy fahana ny firenena, fa tsy ny mpanao politika velively, hoy Andriamatoa Ramparaoelina Rado, Ben’ny tanànan’ny Kaominina Ampitatafika Distrikan’Antananarivo Atsimondrano, voafidy tamin’ny anaran’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM).

Nanohy fanazavana ity olom-boafidy ity, fa iaraha-mahalala fa tsy ampy ny fampananan’asa eto Madagasikara, kanefa ireo mpanao politika izay mihazona ny fahefam-panjakana mihitsy no sahy manao antsojay an’ireo vondrona orin’asa tsy mitovy hevitra aminy, amin’ny alalan’ny sakantsakana amin’ny lafiny rehetra ary miafara amin’ny fikatonan’ny orinasa ny zavamisy, satria tsy misy fiahiana avy amin’ny fitondram-panjakana.

Nanambara i Ramparaoelina Rado, fa mampitontongana ny firenena ihany koa ny tsy fihainoan’ny mpitondra ny hevitry ny hafa rehefa manapa-kevitra eo amin’ny fitantanandraharaham-panjakana ary tsy sahy miteny ny marina ihany koa ireo mpanao politika manodidina ny mpitondra satria matahotra ny sezany ho very. Nanamafy ity olom-boafidy ity, fa rehefa miatrika fitantanana ny raharaham-pirenena ny mpitondra sy ny mpiara-miasa aminy dia tokony hivory aloha, izay vao manapa-kevitra fa tsy hoe mamoaka hevitra tsy voahevitra eny an-dampihazo, izay vao miverina mivory indray.

Nanambara Andriamatoa Ramparaoelina Rado, fa vahaolana ho an’ny firenena ny mpanao politika, satria mamolavola paikady entina hampandrosoana ny tanàna ary mpanao politika mahafehy ny zavatra ataony ity farany, fa ny olana fotsiny dia tsy manana fahalalahana sy fahatokisana avy amin’ny mpitondra ahafahana mampivelatra ny traikefa izay ananany.

Nampatsiahy ny Ben’ny tanànan’Ampitatafika fa Andriamanitra izay nahary an’izao rehetra izao dia mpanao politika ary mbola politika ihany koa ny famonjen’i Jesosy Kristy ny olombelona amin’ny alalan’ny fandatsahana ny ràny. Namarana ny fanehoan-keviny ity farany, fa mila fanovana ny fanaovaana politika eto Madagasikara, satria ny famoronana asa ihany no vahaolana ho an’ny firenena, mba hialana amin’izao fahasahiranana lalina manjo ny firenena izao.