Fiainan’antoko – Tafajoro ny biraon’ny Vehivavy TIM Antsiranana

Stefa

Tafajoro ny faran’ny herinandro teo ny biraon’ny Vehivavy TIM Antsiranana, n any biraon’ny Femme TIM any amin’ny renivohitry ny faritra Diana. Ny alahady teo nananganana izany tany Diego. Voafidy ho filoha Ramatoa Betanoro Anvelette, filoha lafitra Bevavy Kristel, sekretera jeneraly Rasoarimalala Marie Josiane, sekretera jeneraly lefitra Soamanjary Émilienne, mpitambola Zafirina Yrène, mpitambola lefitra Tsialisoa Linda Olivia, ary ireo conseillèresn, na mpanolotsaina miisa 9 no mandrafitra azy.

Nanambara ny filohan’ny Femme TIM Antsiranana fa: ”isaoragna tsika jiaby navy, isaoragna tsika jeunes TIM nanohagna. Sahia mijoroa fa 2023 président Marc RAVALOMANANA no tanjona hanavotra ny firenena, vonona ny viavy Tiako i Madagasikara eto Antsiranana hanaramaso ny fifidianana sady mamporisika ny Vahoaka Malagasy hiditra ao anaty lisi-pifidianana. Ho anareo viavy te hiditra membre dia miavia ao amin’i QG TIKO Place Kabary en face Banque BNI, marikitry la Vahinée.”

Ankoatra izany, hivory ny Vehivavy TIM rehetra ny alahady 05 febroary amin’ny 3 ora tolakandro, ny toerana dia ao amin’ny TIKO Place Kabaro. Mbola miantso ny vehivavy rehetra maniry hiditra ho mpikambana ny biraon’ny Femme Tim Antsiranana.