Lisi-pifidianana, hatramin’ny volana jona – Mitohy any amin’ny biraom-pokontany ny fisoratana anarana

Isambilo

Nifarana ny talata 31 janoary 2023 teo ny fitetezan’ny mpanisa ny tokantrano ho fampidirana ny olom-pirenena anaty ny lisi-pifidinana. Na izany aza mbola hitohy hatramin’ny volana jona ny fisoratana anarana amin’izany lisi-pifidianana izany, fa manatona any amin’ny biraom-pokontany ireo mbola tsy tafiditra amin’ny lisi-pifidianana ireo olona afaka mifidy.

Ankoatra izany, 9.189.539 no olona voasoratra ao amin’ny lisitry ny mpifidy nandritra ny efatra volana: oktobra 2022 – janoary 2023. 13.500.000 ny olom-pirenena kasain’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (CENI), ho tafiditra anaty lisi-pifidinana ao anatin’izao fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy sy rejisi-pifidianana izao. Maherin’ny 4 tapitrisa araka izany ny olom-pirenena tokony mbola hisoratra anarana anaty lisi-pifidinana izay manome taha 31,93%.

Manentana ny vahoaka malagasy mbola tsy tafiditra ho isan’ny mpifidy ny CENI, mba ho tonga hanatona ny biraon’ny fokontany. Mbola mitohy ny fandraisana olona ho mpifidy fa mamonjy kosa ny toerana misy an’ireo tompon’andraikitra momba ny fifidianana, mitondra kara-panondrom-pirenena any amin’ny biraom-pokontany.