Fampandrosoana ny eny ambanivohitra – Mitohy ny tetikasa « exode urbain » any Soaniadanana

Aly

Rehefa niato nandritra ny 8 volana teo noho ny ankasomparana nataona solombavambahoaka iray, mitohy ny tetikasa “exode urbain”, na ny fifindra-monina avy amin’ny faritry ny tanàn-dehibe mankany ambanivohitra any Soaniadanana distrikan’Ankazobe faritra Analamanga, hoy ny filohan’ny fikambanana Hafari Malagasy, sady filohan’ny tetikasa “exode urbain” ity, no filoha tale jeneralin’ny mpitsabo Malagasy Fitrama, Rafanomezantsoa Jean Nirina.

Nitsidika tany amin’ny Projet exode Urbain tamin’ity herinandro ity ny Filoha mpamorona ny tetikasa no sady Filoha tale jeneralin’ny Mpitsabo Malagasy Fitrama. Tonga nanotrona azy tany, no sady nitondra fanampiana ho an’ireo fianakaviana sahirana monina any Soaniadanana, Ramatoa Mishah: Filohan’ny Vovonana VMMTF, sady tompon’ny Pharmacie d’Anosizato. Vary, mofo, biscuits, nofon-kena mitam-piavanana no natolotra tany an-toerana nandritra izany.

Fantatra fa hamafisina ny fanatanterahana ity tetikasa exode Urbain ity any Soaniadanana, hoentina hamahana ny olana amin’ny fivangongona aty an-drenivohitra. Hisy ny fanaovana fiompiana akoho gasy amin’izany, ny fanaovana kariera, ny fanaovana foto-drafitrasa toy ny sekoly, ny toeram-pitsaboana, ny tobin’ny zandary hitandro ny fandriampahalemana, ny fampidirana jiro sy rano any amin’ny toerana,… Fianakaviana am-polony maro no efa monina any ankehitriny.