Baolina kitra CHAN 2022 – Tsy andraraka ilo mby an-doha ho laharana faha-3 ny Barea

Rainilita

Hiady ny laharana faha-3 amin’ny Barea Chan tanterahana any Algeria ny Barea an’i Madagasikara, rahampitso zoma. Na mahay sy henjana koa aza i Niger, tsara toerana hahazo izany laharana faha-3 izany ny ekipam-pirenena Malagasy tsy misy mpilalao mila ravinahitra any ivelany. Mbola hanao izay farany heriny ry Nina sy ny namany rahampitso io, miaraka amin’ny toromariky ny mpanazatra Rôrô, hitondra avo hatrany ny voninahitr’i Madagasikara.

Hoy indrindra i Rôrô tao aorian’ny faharesentsika ny talata teo: ” N’inon’ inona zavatra niseho teny ambony kianja, iny ny lalao nataon’ny bandy dia ekena. Haingana be ilay baolina maty tamin’ny ampaham-potoana voalohany dia somary sahirana mihitsy isika tamin’ny ampaham-potoana voalohany. Soa fa nanana an’i Nina izay nanao izay azony natao fa tamin’ny fidirana faharoa kosa efa nanao izay vitany ny mpilalao rehetra. Iny aloha ny vita resy isika, miala tsiny amin’ny mpitia baolina kitra malagasy rehetra, fantatray tanteraka ny alahelonareo sy ny fahadisoam-panantenanareo, fa izay no atao hoe baolina. Somary nisy fiantraikany tamin’ny mpilalao kosa na izany aza ny fomba fitsaran’ny mpitsara sy ny tsy fisian’ny VAR. Naratra i Dadafara ka tsy afaka nilalao, tsy tafiditra i Naina tamin’ny voalohany fa efa nanarina izy tamin’ny faharoa. Ka rehefa resy dia miara-resy fa tsy manilika hoe avy amin’iza na avy amin’iza. Hiady mafy hatrany izahay amin’ny fia-diana ny laharana faha-3 amin’ny zoma.”

Raha tsiahivina kosa ny teo amin’ny dingan’ny ½-dalana natao ny talata teo, nailiky ny Liona Senegaley ny Barea Malagasy. Tafita amin’ny lalao famaranana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (CHAN) andiany faha-7, tamin’ny talata 31 janoary tao amin’ ny kianja “stade Nelson Mandela (Baraki)” i Sénégal rehefa nandresy an’i Madagasikara (1-0). Baolina iray tafiditr’ilay loha-laharana i Pape Diallo bônera teo amin’ny minitra faha-5, no niantoka an’io fandresen’i Sénégal io. Voatreron’ny Liona Senegaley araka izany ny Barea Malagasy, ka nibarareoka nefa na izany aza mendri-piderana tanteraka tamin’ity fandraisany anjara voalohany tamin’ ny Chan ity. Tamin’ny ankapobeny dia hain’ny mpanazatra Sénégalais Pape Bouna Thiaw ny nampita tamin’ireo mpilalaony ny teknika handre-sena ny Malagasy ary tena nohalalininy tanteraka izany fomba filalaon’ ny Barea izany.

Gina tanteraka ny mpitia baolina kitra Malagasy tamin’io faharesen’ny Barea io, nefa izay no maha boribory ny baolina sady tsapa ho nanatombo ara-batana sy ara-teknika kokoa ny Liona Senegaley. Ny “Fennecs”-n’i Alzeria izay nanamontsana an’i Niger (5-0) teo amin’ny anka-toky ny famaranana voalohany no hifanandrina aminy amin’io famaranana io. Rahampitso zoma 03 febroary 2023 araka ny efa voalaza teo manomboka amin’ny 19 ora alina Malagasy dia hifanandrina amin’ny ekipam-pirenen’i Niger ao amin’ny kianja “stade Miloud Hadefi (Oran)” ny Barea, eo amin’ny “petite finale” amin’ ity fifaninanana “Chan 2022-Algérie 2023” ity.