EDITO 2 Febroary – Rajoelina no mety mitady tetezamita fa tsy ny mpifaninana aminy

Beharo

Maro tamin’ireo olona nanontaniana, sy ireo nanome ny heviny, no nilaza fa tsy ny mpanohitra na izay hifaninana amin-dRajoelina Andry mihitsy, no mbola hitady tetezamita eo indray, fa ry zareo no manao paik’ady, teti-panorona hamikirana seza, ka raha tetezamita no atao dia olon-dry zareo ihany no ho eo, hanomana izay 2 na 3 taona aorian’izay eo indray, izany hoe: teteza-MIITATRA no tian-dry zareo hatao dia azy ireo foana ny fitondrana izay hita mibaribary izao, fa mampihemotra tanteraka antsika sy ny firenena ankehitriny.

Nilaza koa ireo sendra ny gazety, fa aleo ny fisoratana anarana eny am-potony hatrany no arahi-maso akaiky, miainga eny amin’ny fokonolona sy fokontany, ka na efa nisy naka anarana nanao fanisana aza teny amin’ny trano tsirairay, dia iangaviana mba hijery eny amin’ny biraom-pokontany mihitsy, ary mba hanoratra ny anarany amin’ny fomba madio sy hanamarina ny zava-misy, ary mba ho afaka hanara-maso rehefa tonga ny fotoam-pifidianana. Nisy koa ireo nilaza fa ny tanàna iray dia mba misy toeram-pivavahana, trano fiangonana manana ireny skoto, tily sy antily ireny, ka rehefa tonga ny fotoam-pifidianana dia mba ho afaka handray anjara amin’ny fandaminana sy ny fanisam-bato izay hatao eo izy ireny.

Tsorina hoy ny hafa, fa ny fandefasana ny voka-pifidianana miala eo amin’ny birao iray mankeny amin’ny CENI no tena sarotra, satria eo amin’izay elanelam-potoana sy toerana izay, no mety hahitana tatitra tsy mazava, hosoka mety hitranga, antso an-tariby tsy marina, fanodinkodinana vokatra tsy ara-dalàna, ka ilàna fiaraha-mientan’ny solontenan’ny kandida tsirairay, na izay mpanohana azy. Rehefa misy voka-pifidianana hita, marina sy mazava amin’ny toerana iray hoy ny rehetra, dia tokony hisy dikany mitovy vitsivitsy ihany koa omena izay solontenan’ny kandida eo, mba hahafahany manisa izay vato voaporofo fa marina eo sy ny manodidina azy mipaka hatreny amin’ny CENI. Aoka hifanentana ny tsirairay amin’ny fisoratana anarana, fa izany no antoka handrombahana ny fahefana tsy rariny fikirin-dRajoelina sy ny forongony io. Mbola azo atao ny misoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana eny amin’ny fokontany hatramin’ny volana jona ho avy izao.