Malagasy Collectif – Ilaina ny fifampiresahana hampadio sy eken’ny rehetra ny fifidianana ho avy

Nangonin’Isambilo

Maneho ny heviny momba ny raharaham-pirenena aty Madagasikara ny Malagasy Collectif, na ireo Malagasy monina any ivelany:

FIKAONANDOHAM-PIRENENA:
• Tsy azo ihodivirana ny fifampiresahana na inona anarana hoentiny na inona, raha vaha olana maharitra no tadiavina.
• Tsy toerana no hifampiresahana fa fomba hampadio sy hampilamina ny fifidianana ho avy, ho eken’ny rehetra ary hahafahan’ny rehetra mandray anjara.
• Manana toerana lehibe amin’izany ireo ray aman-dreny ara-panahy toa ny FFKM, sy ireo fiarahamonim-pirenena.

FIFIDIANANA SY LISI-PIFIDIANANA:
• Mbola tsy misy volavolan-dalàna na lalàna hatreto mamaritra ny fomba hahafahan’ireo Malagasy monina aty ivelany hifidy.
• Ny malina aza hono mifehy hazo tokana hoy isika Malagasy, ka ahoana moa no hananana fahatokisana raha fitoriana 7000 isa mahery no azon’ny hoe: “azo raisina fa tsy mitombina”?Aty aoriana anefa dia ilay filohan’ny HCC ihany no miteny fa “lasa Sôdoma sy Gômoro” ilay firenena nefa izy anisan’ny tompon’antoka tamin’izany.

• Ahoana no hatokisana ny valim-pifidianana nefa ny filoha lefitry ny CENI teo aloha no nanambara, fa nisy tokoa ny latsabato miverimberina na doublons miisa 1.200.000 mahery sy kara-panondro hosoka.
• Takiana arak’izany ny fisian’ny fifidianana madio ary isan’ny antoka tsy azo ihodivirana, hanome izany ny FIKAONANDOHAM – PIRENANA na inona anarana omena azy na inona, satria fifampidinihina eo amin’ny mety hanatsarana ny fifidianana rehetra ho avy no antony, fa tsy kajikajy hafa.
• Tamin’ny fandalovan’ingahy Rajoelina, izay nahazo fahefana tamin’ny 2018 noho ny antony tsy fantatra, dia nanasa ireo Malagasy aty andilam-bato izy ny taona 2021. Maro ireo Malagasy nisoratra anarana na ao anaty fikambanana na nandeha tamin’ny anaran’ny tenany manokana. Nahazendana ny rehetra fa tsy nisy voaray, fa voasivana avokoa izay nanao izany. Amin’ny fomba ahoana no hahatokisana fifidianana raha aty lavitra aty aza izany no zava misy?

FIARAHAMONIM-PIRENENA, FFKM:
• Zava-dehibe ny faneken’ireo ray aman-dreny am-panahy hanaraka ny fifidianana ary entanina indrindra izy ireo hanamora izany hevitra fampiraisana sy fifampidinihina izany, ho an’ny tombontsoa iombonana.
• Ireo mpiara-miombon’antoka amintsika koa dia efa naneho ny fankasitrahany ny hahitana vahaolana maharitra ary tsy mankasitraka ny hisian’ny fitongilanana, na tsy fanajana ny tany tena demokratika.
• Ny vahoaka Malagasy tsy vaky volo dia manana ny ZO sy ANJARA masoandrony eo amin’ny taniny. Noho izany dia adidin’ny mpanao politika no mihaino azy ireny.

FANOHANANA ARA-KEVITRA SY ARAK’ASA:
• Amin’ny maha-Malaga sy mizaka zom-pirenena hafa an’ireo mpikambana ao amin’ny Collectif des Citoyens d’Origine Malgache Monde dia tombony ny fahafahana mampita sy mifandinika mivantana amin’ireo mpiara-miombon’antoka amintsika. Ao ohatra ny ONU,UA,UE,FMI,BM,USA amin’ny alalan’ireo Lohaolona, sahala amin’izay ihany koa ireo Solombavam-bahoaka Erôpeanina sy ny maro tsy voatanisa.
• Milaza amin’ireo firenena mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara ny Collectif des Citoyens Malagasy d’Origine Monde ny tokony hanohanana ny DEMOKRASIA sy ireo rehetra miaro izany sy ny Soatoavina ao aminy. Tsy mety ary manimba ny tombontsoa iraisana ny fahanginana sy famelana rafitra na fitondrana iray tsy manara-dalàna. Ho an’ny Collectif des Citoyens d’Origine Malagasy Monde, ny olona izay tsy nanaraka ny lalàna no nahalany azy dia tsy mendrika ny atao hoe FILOHA, satria​ny​lalàna​tsy​natao​hamboarina​araka​izay​mahamety​azy. Tompon’andraikitra tsy ho afa-bela amin’izany ingahy Eric Rakotoarisoa filohan’ny HCC teo aloha.

• Adidy sy andraikitra ny mikatsaka mandrakariva izay hahasoa sy hampandroso an’i Madagasikara sy ny Malagasy 27 tapitrisa ka mahatonga ny fampahalalana ny zava-misy marina sy ny zavatra hiainan’ny maro an’isa ka mila hitadiavana tohana izany.
• Noho ireo asa aman-draharahan’ny mpikambana sy ireo namana manolo-kevitra dia misy ny fampitana ireo tombana ny zavatra mety hitranga na ny tsara izany na ny ratsy, ho an’ireo heverina fa manana andraikitra mpanatanteraka mba hanamora ny fandraisan’izy ireo fanapahan-kevitra.
• Hiteraka korontana sy tsy fahamarinan-toerana ny fisiana mizana mitanila na zaravilana eo amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenana. Mba hisorohana izany loza mitatao izany indrindra no ilàna ny FIKAONANDOHAM-PIRENENA.
• Ny firenena milamina dia manana fiaraha-monina mifampihaino ary afaka mandroso ara-toekarena sy lavitry ny disadisa. Ilaina ny filazana ny marina ary tafiditra amin’izany ny fitakiana ny fanadiovana ny lisi-pifidianana sy ny manodidina azy, fa hatreto: MIHAINO VE IREO NAHAZO FAHEFANA?
• Ho fitsinjovana ny maha-olona dia misy ireo fiaraha-miasa amin’ireo mpamatsy vola mikasika ny famokarana sy fampitaovana hisitrahana rano fisotro madio ohatra, hiarahana amin’ny faritra voafidy maromaro. Izany tetik’asa izany dia natao ho azo ampitaina ho atao ohatra amin’ireo faritra hafa, mba hanenika an’i Madagasikara iray manontolo. Ny fikojakojana ny tontolo iainana dia antoka ho an’ny ho avy, ka tsy maintsy mifanahaka amin’izany ny zavatra atao, mba hifamelona fa tsy hifamono.