Velirano lasa rano – Ireo fanambin-dRajoelina tsy tanteraka

Andry Tsiavalona

Tsara ampahatsiahivina ireo fotodrafitrasa nampanantenain’ny filohan’ny Repoblika Rajoelina Andry, ho tanterahina raha vao nitondra sy nandritra izay efatra taona nitondrany ny Firenena izay. Velirano tsy tanteraka, na lasa rano ihany koa no filaza azy, maromaro ihany ireo fanambiny nolazainy izay fa tsy tanteraka hatreto.

Nanana hambo lehibe tokoa Ingahirainy raha vao nandray fitondrana satria noheveriny, fa hanana ny fiandrianany ny Firenena raha vita ny fanorenana ilay ozinina fanamboarana fiarakodia “Gasy Car”. Efa nivoaka tamin’ny tambazotra sosialy ny karazany mitondra io anarana io saingy tsy tanteraka izany, ka nampihena ny hambompom-pirenena.

Tsapan’izao fitondrana izao fa efa tery loatra ny renivohitra ka mila mamorona tanàna vaovao, nitsiry tao an-tsain’ny « atidoha » ny tetikasa « Tanamasoandro » izay hamindràna ireo minisitera isan-tokony sy hanorenana trano ho an’ny mpiasa sy ny mponina te-hisintaka sy hiaina rivotra madio any ivelan’ny renivohitra ary tsy adino ny sekoly sy ny hopitaly ary ny tsena. Nokasaina naorina teny amin’ny lemak’i Betsimitatatra eny Ambohitrimanjaka ity tanàna vaovao ity, tsy neken’ny tantsaha manana tanimbary sy tanimboly eny an-toerana anefa izany. Raha ity fotodrafitrasa ity no asian-teny dia azo lazaina fa niteraka disadisa ara-tsosialy sy ara-toekarena ny fikasana, satria tsy hanana tany ho volena intsony ny tantsaha ary tsy hisy vola miditra intsony eo amin’ny tokantrano izay hisy fiantraikany eo amin’ny fitsaboana sy fampianaran-janaka. Nafindra any Imerintsiatosika indray ny tetikasa ary efa natao ny fitrongisana ny tanimbolin’olona saingy tsy mbola hita loatra ny fandrosoan’ny asa hatreto, satria rehefa ny zavatra no hatao bodongerona dia misy hatrany ny sakantsakana samihafa. Rehefa dinihana tsara anefa, misy lafiny miabo ity tetikasa ity raha tanteraka saingy tsy matotra izao fitondrana izao, ka tsy nandinika tsara ny fomba sy ny hoentina manatanteraka azy ary indrindra indrindra tsy nisy ny fifampidinihana tamin’ny mponina izay tena fototra iray mety nahatsapany fa mpandray anjara izy.

Nitsiry tao an-tsain-dRajoelina Andry indray ny hanao « fly over » eny Anosizato sy Ampasika hanamaivanana ny fitohanan’ny fiara ny fahavitàn’ireo ireo fotodrafitrasa ireo. Tsapa tokoa fa mitohana tsy misy toy izany ny fiara amin’ireo toerana ireo, amin’ny fotoana rehetra ka ny fahavitany dia hisy fiantraikany ara-toekarena, indrindra indrindra, satria tsy very fotoana, izay volamena hoy ny Malagasy, ary tsy lany vola be amin’ny solika na ho an’ny mandeha amin’ny fiarany manokana na ho an’ny mpanao fitateram-bahoaka. Eo amin’ny lafiny sosialy dia tsy hitebiteby ho tara ny ankizy mpianatra. Nanjavona anefa ity tetikasa ity, angamba, noho ny tsy fahaizan’ny mpitondra mandresy lahatra na noho ny tsy fahatokisan’ireo mety hamatsy vola izany.

Anisan’ny fotodrafitrasa goavana nampanantenain-dRajoelina Andry ny fanamboarana ny làlam-pirenena faha-2, faha-13, faha-44 ary faha-5A. Itsy faharoa aza dia sahy nilaza Rajoellina Andry fa raha tsy vitany dia tsy hanao politika intsony izy. Mijaly tokoa ny mponina eo amin’ny famoahana vokatra any amin’ireo toerana andalovan’ireo làlampirenena ireo. Sahirana koa ny mpampiasa ny làlana satria ankoatry ny fotoana lany dia eo ny fahasimban’ny kojakojan’ny fiarakodia noho ny faharatsian’ny làlana. Ho mamim-bahoaka kokoa izao fitondrana izao raha ho tohizany ihany ny fanamboarana ireo fotodrafitrasa ireo. Misy mpamatsy vola avy any ivelany anefa ny fantanterahana ny asa ka asa raha hanaiky ny baikon-dRajoeliana Andry izy ireo, ka hampihantona ihany koa ny asa. Tena azo antoka fa hamaha olana ara-tsosialy sy ara-toekarena ary ara-politika, ho an’ny mponina tratry ny kere, ilay tetikasa fanamboarana “pipeline” hamatsiana rano ny any Atsimon’ny Nosy. Iaraha-mahalala fa ny tsy fahampian-drano no tsy afahan’ny mponina any mamboly ka miteraka ny tsy fanjarian-tsakafo sy fahantrana. Tsy mbola mazava moa raha anisan’ny tafiditra ao anatin’ny Lalàna mifehy ny Tetibola (LFI) amin’ity taona ity ny fanohizana ny fanorenana ireo fotodrafitrasa ireo na tsia.

Efa nahavita be lavitra, hono, izao fitondrana izao, araka ny nolazain’ ny filohan’ny Repoblika ihany, raha ampitahaina amin’ny zava-bitan’ireo mpitondra nifandimby. Nanamboatra sekoly manarapenitra (EPP, CEG, Lycée), nananganana Oniversite isam-paritra, nananganana hopitaly sy CSB manarapenitra kanefa tsy nisitraka izany araka ny tokony ho izy ny Malagasy maro an’isa hatreto. Ireo Manarapenitra sasany vita aza, raha tsy mitriatra dia mirodana. Ny tena nataon’ny mpitondra anefa dia ny nihazakazaka nanorina ny « Colisée » teny amin’ny Rovan’i Manjakamiadana, nanangana ny « Kianja Barea ». Tsy nahavaha olana teo amin’ny lafiny rehetra ireo satria tsy niteraka asa ho an’ny tanora, tsy misy tamberina ka hahatafaverina haingana ny vola natontona tao, niteraka disadisa ara-piarahamonina sy ara-kolontsaina ary eo amin’ny soa toavina.

Taty aoriana kely dia teo ny tetikasa nametrahana « téléphérique » eto an-drenivohitra, tsy hita ny tohiny fa ny « Arabe Migodàna » indray no nametrahana “vato fototra”. Heverina fa misy fiantraikany eo amin’ny lafiny sosialy, toekarena ary politika ny fanatanterahana ireo tetikasa rehetra ireo, ka sosialim-bahoaka inona no tian’ny fitondrana Rajoelina Andry hifantohana? Hizara vary masaka na manta amin’ny gony tsy hahavita taona, sa hizara vola toy ny natao tamin’ny niandohan’ny valanaretina covid-19? Hita anefa fa tsy ny vahoaka Malagasy tena sahirana any ambanivohitra sy any amin’ny tany lavitr’Andriana no nisatraka ireny “vatsy vatsy” sy “tositosika” ireny. Ny azo lazaina dia be ny fampanantenana nataon-Rajoelina Andry, ka tsy ao anatin’ny volana vitsy sisa hananany no hantenaina hisian’ny fahagagana. Izany hoe: ho maro ireo fanamby tsy ho tanterany, ka ny mety aminy dia na miala, na hesorina amin’ny fomba samy hafa,…