TIM Talatamaty – Miantso ny filoha Ravalomanana hirotsaka hanarina ny firenena indray

Helisoa

Nifampiarahaba tratry ny taona ny Tiako i Madagasikara (TIM), tao amin’ny kaominina Talatamaty distrikan’Ambohidratrimo ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny Espace Mbatosoa Ambohinambo. Nandritra izany dia tonga maro be ireo mpikatroka TIM hatramin’izay ary ireo mpikambana vaovao, izay notarihin’ny biraon’ny COMTIM sy ny Jeune TIM ary ireo vehivavy TIM ao an-toerana. Fotoan-dehibe tokoa ny andro tamin’io araka ny fanambaràna nataon’ny filohan’ny Comtim ao Talatamaty, satria nahafahana nampihaona indray ny mpikambana izay natoritory tao anatin’ny taona maromaro. Lohalaharana tamin’ny fandaniana ny filoha Marc Ravalomanana ny kaominina Talatamaty, ka amin’ity 2023 ity dia hihoatra ny 80% ny vato omena azy.

Namafisina tamin’ny fifampiarahabàna ny hirotsahan’i Dada hanarina ny firenena indray satria efa latsaka an-katerena loatra. Ny filohan’ny tanora TIM ao Talatamaty Zo Rarivosonmboahangy fa vonona isika eto Talatamaty ka hijory sy ho sahy manomboka eto araka izay efa nataontsika hatramin’izay hampiroborobo ny antoko TIM. Vonona ireo Diaspora avy any ivelany hanohana antsika amin’ny tolona izay atao. Efa nanao ireo Diapora ka ho tohizany izany hampandresena ny filoha Marc Ravalomanana.

Nandritra ny fihaonana dia niditra mivantana antarobia ny filoha Marc Ravalomanana nankahery ireo mpikatroka TIM tao Talatamaty. Nisy hafatra nataony ny hijerena ny anarana ao anatin’ny lisitry ny mpifidy, izay mbola tsy tafiditra dia aleo mandeha haingana fa kely sisa ny fotoana ahafahana manoratra ny anarana. Aoka ho mailo hatrany isika hoy izy fa ny ratsy tsy kely lalana. Hiaraka hanarina ny firenena indray isika hoy hatrany izy. Faly ireo mpikatroka naheno ny feon’ny filoha Marc Ravalomanana indray, ka niaraka nihika fa hanao izay fara hery amin’ny fampandresena azy hitantana ny firenena indray.