FANIRIAKO, FANIRIAKO !

Faniriako, faniriako,faniriako rahatrizay
Ny mba hiadana finaritra ny vahoaka any aminay.
Fa saingy izaho aloha hatreto no manao izay hihinanako,
Ary ny mampanantena, izay no tena fiadanako!

Faniriako, faniriako, faniriako rahatrizay
Ny hamerenana ireo nosy nobodoin’ny frantsay
Fa saingy hatreto aloha ny ataoko dia mihatsaravelatsihy,
Izay ilay toetra ratsinay mpanentana sy mpampandihy!

Faniriako, faniriako, faniriako rahatrizay
Ny mba hanampy ny madinika toa an’i Kaomoro indray.
Fa saingy mahamenatra olona, izy indray no lasa aloha.
Ny fireneko kosa indrisy, toa matory tsy mifoha!

Faniriako, faniriako, faniriako rahatrizay
Raha sangany eto Afrika i Madagasikaranay!
Fa saingy hatreto dia toa ‘zaho no mieboebo sady jenitra,
Nefa izay ataoko, indrisy, tsisy mba manara-penitra!

…Faniriana ihany ny ahy, ampiako tsetra sy indrisy!
Fa raha tena ny finiavako dia lazaiko fa tsy misy.
Ny hihoerahoera hatrany no laharam-pahamehako,
N’aiza sehatra isehoako, n’aiza toerana alehako!

TSIMIMALO (27-01-23)