Faritra Menabe – Raha tsy vakivaky dia mirodana ny ”Manarapenitra”

Rajepa

Fotodrafitrasa natsangana ato Menabe, izay vita dia na mirodana ho azy na vakivaky; tsy misy zavatra tsara fa dia ny loko fotsiny no marevaka fa dia zara fa vita ireo mba vita fa ny ankamaroany dia mihitsoka raha tsy hiresaka afa-tsy ny kianja Manarapenitra Morondava, izay efa tamin’ny tetezamita no nananganana azy hatramin’izao mbola tsy vita dia izao ireo mba vita mirodana ho azy toy ny Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina dia potika koa. Ny hopitaly izay lazaina fa manarapenitra vao notokanan’ny Filoha Rajoelina vao tsy ela akory izay dia vakivaky sy mihotsaka ho azy ny plafond, ny ao anatiny moa dia maizina tanteraka rehefa tapaka ny jiro satria tsy misy groupe, etsy ankilany ny hafanana satria tsy ampy ny rivotra.

Ankoatr’izay ny vidin’ny fanafody sy ny saran’ny fizahana, midangana tsy zakan’ny vahoaka izay efa mihoatra amin’ny any amin’ny dokotera tsy miankina. Vao ny sabotsy teo koa izao dia saika nahafaty olona ny trano izay natao ho fandraisana ireo traboina na ny bâtiment refuge ato Morondava, vao notokanan’ny minisitra Houlder tamin’ny 16 desambra teo. Zaza kely vao iray volana no nieren-doza satria taboina izy ireo noho ny ranobe, ka namonjy ny trano ho an’ireo traboina, saika loza anefa no hita satria raha hila vonjy dia tra-doza indray anefa, satria hoe azo antoka ilay trano natokan’ny fanjakana hasiana azy, hay nihotsaka ny plafond ka raha tsy nanao sorona ilay zokiny nitaiza azy dia tsy hay izay nahazo ity zaza mena ity, fa ny lohan’ilay zokiny no vaky ny lohany rehefa niaro ny zandriny.

Ny residence ny Prefecture indray kosa dia vao miandry ny hitokanana azy dia efa vakivaky sy mihintsana ho azy ny planfond-ny, ka tsy hay hoe ho tampitampenana toy ny CSO Andimaka ao Belo Tsiribihina koa ngamba, izay mampitaraina ireo zandary nampandry tany nivatana tao, fa sady ratsy no tsy ampy rano. Fotodrafitrasa marary fenitra fa tsy manarapenitra no nataon’ny fitondrana ho an’i Menabe hoy ilay mpamily Bajaj tafaresaka taminay, toy ny endriky ny fitondrana ihany ny zavatra ataony loko marevaka sy manaitra nefa hay tsy misy ilana azy.