Kitra Afrikana – Sambany hiatrika voalohany ny ½-dalan’ny CHAN ny Barea anio

Rainilita

Anio no hanamarika ny tantara vaovao ny Barea de Madagascar, ka hiatrika voalohany eo amin’ny tantaran’ny baolina kitra Malagasy, izay niforona tamin’ny taona 1961, an’izay lalao ankatoky ny famaranana eo amin’ny sehatry ny baolina kitra iraisam-pirenena aty Afrika izay, dia ny fifaninanana “Chan 2022”, tanterahina any Algérie ankehitriny: CHAN, na fiadiana ny tompon-dakan’i Afrika ho an’ny ekipam-pirenena. Ao amin’ny kianja “Stade Nelson Mandela, Alger” anio talata 31 janoary 2023 hanomboka amin’ny 10 ora alina eto Madagasikara no hifanandrinan’ny Barea de Madagascar amin’ny “Lion de la Teranga du Sénégal”.

Tsiahivina fa tamin’ny sabotsy 28 janoary teo no nahatafita ny Barea de Madagascar amin’ity dingana ity rehefa nandavo ny “Les Mamba de Mozambique” tamin’ny isa mazava 3-1 izy ireo teo amin’ny lalao 1/4-dalana. Ny “Les Fennecs d’Algérie” sy ny “Le Mena de Niger” kosa amin’ny 7 ora hariva Malagasy anio talata 31 janoary 2023 no hikatroka, amin’ny lalao ankatoky ny famaranana voalohany amin’ity fifaninanana ity. Izy ireo dia nanilika an’i Côte d’Ivoire sy Mauritanie tamin’ny isa 1-0 avy.

Marihana fa hanana ny lanjany goavana ny toro-marika avy amin’ny mpanazatra Rakotondrabe Romuald (Rôrô), izay voahosotra ho mpanazatra mendriky ny fifaninanana nandritra ny fifanintsanam-bondron’ny Chan 2022.