Vovonana IFIM – Mijoro ho amin’ny fanavotam-pirenena

Franck Razakambelo

Hijery ny fomba rehetra, ahafan’ny vahoaka mandray andraikitra manoloana ny fivoaran’ny toedraharaham-pirenena ny vovonana IFIM (Hetsika iombonana ho fanarenana ifotony an’i Madagasikara).

Nilaza Andriamatoa Manantsoa Victor mpikambana IFIM, fa tsy novalian’ny fitondram-panjakana ny fe-potoana iray volana nomen’ny IFIM, mba hahafahan’ireto farany mandray an-tanana sy mikarakara ny fikaonandoham-pirenena hitadiavam-bahaolana, manoloana ny fahasahiranan’ny vahoaka Malagasy. Nanohy fanazavana ity mpitarika vovonana IFIM ity, fa nandiso fanantenana an’ireto farany ny tsy niresahan’ny filoham-pirenena ny fikaonandoham-pirenena nandritra ny kabary natao ny faran’ny taona 2022 teo, kanefa zavatra laharam-pahamehana ny fanatanterahana ny dinika nasionaly, entina hamaritana ny ho avin’i Madagasikara.

Nilaza Andriamatoa Rakotomalala Henry dit Riribe, fa miziriziry amin’ny hevi-diso ny fitondram-panjakana tsy hiroso amin’ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena ary miantso ny vahoaka handray fanapahan-kevitra entina hanavotana an’i Madagasikara manomboka izao. Nanohy fanazavana i Riribe, fa voakasik’izao antso izao ireo antoko politika; ireo fiarahamonim-pirenena; ireo fikambanana maro samihafa, mba hifanome tanana amin’ny fanafahana an’i Madagasikara.

Tsiahivina fa nifarana tamin’ny 16 Janoary 2023 lasa teo ny fe-potoana nomena ny fitondram-panjakana mba hamaliana ny hetahetan’ny vovonana IFIM kanefatsy nahitam-bokany izan y hatreto ary ny firosoan’ny fitondram-panjakana amin’ny fikaonandoham-pirenena entina hanavotana an’i Madagasikara irery ihany no vahaolana.