Ny karama tsy miakatra – Loza ity vidin’entana tsy mitsaha-mitombo ity

Beharo

Vao nigadona ny taona 2023 dia efa SAINA hafahafa no tsikaritra eny amin’ny tsirairay, tao ireo nilaza fa kabary politika fandokafan-tena no nataon-dRajoelina tamin’ny fiarahabana taona vaovao iny, fa tsy mba hita izay kabary ahitana tombontsoa ho an’ny vahoaka iray manontolo, hoy ireo zokiolona maro niantso an-tariby anay avy eny Avaradrano sy ny manodidina an’Ampitatafika iny. Nanambara fa ity vidin’entana tsy mitaha-mitombo ity no tena loza ho azy ireo, ny vola fisotroan-dronono sy ny karama dia tsy misy fiovana mihitsy hoy izy ireo, nefa ny vidin’entana, ny vary, ny saribao, sy ireo Ppn hafa, dia misondro-bidy hatrany.

Tsy rariny mihitsy hoy ireo avy eny Talata-Volonondry satria atao tian-kano tsy tian-kano “Abus de pouvoir” ny taninay, izay lazaina fa hatao “Autoroute” io, ny tany simba, ny vola sahaza tsy voaray, nefa dia mbola fahavaratra koa no manao ny asa toy ireo làlam-pirenena potiky ny orana ireo, izay efa tsy ara-dalàna mihitsy raha atao bango tokana. Ny vola tsy azo; ny vokatra maty, ny tena kere hatrany.

Satry aza hoy ireo mpivady be taona, maka rivotra miala sasatra any ambanivohitra hisy andro ratsy, rivo-doza, sy ny sisa hanaovan-dra-Fanjakana fialan-tsiny atsy ho atsy ity tandrevaka misoko miadana sy paik’ady manimba firenena ity, mba ho fialan-tsiny manara-PENITRA ihany koa. Tsy rariny ihany koa raha fintinina hoy ireo marobe miSAINA, ny nahita ilay SAINA teo ankilan’ny Praiminisitra ny zoma alina lasa teo satria tsy voahaja intsony ny Maitso, Fotsy, Mena, noho ilay saina hafa kely teo akaikiny, misy kintana sy masoandro. Sa ve, efa io olona io mihitsy no efa very saina noho ny politikan-dRajoelina efa tsy rariny io intsony?