MIRAISA SAINA RY MALAGASY !

Frantsa no isolelahana isan’andro vaky izao?
Aza gaga raha hoentiny amin’ny sanganao ianao,
Fa tsy afaka ny handòn-databatra na hiteny kely akory,
Raha mba misy ny fotoana hanasana anao hivory!

Frantsa hatrany no itodihana, izy hatrany no handadizana.
Lalana efa tsy mahomby , izay no mbola ikirizana?
Fa ny saina efa voapempo sy efa dontom-panjanahana,
Ka tsy miomana hitady lalan-kafa hivoahana?

Ny amin’ny “nosy manodidina”, n’inona n’inona lazaina
Dia efa resiny an-databatra izato ianao ry maivan-tsaina.
Na ny hery na ny tanjaka, na ny vola, samy ananany,
Ka tsy mora indray akory ny haka ny efa eny an-tanany.

Satria tsy fantatrao mpitondra izany atao hoe” hampiray”,
Fa dia ianao miletra irery no mazàna hitanay.
Ianao mahazo “tsipy kely” toy ilay biby tsy lazaina,
Ka matavy sy mivondraka ary tsy mampiasa saina!

…Mila ny firaisan-tsaina eo amintsika Malagasy,
Mba hoenti-manamarina fa “izay be anie no basy”!
Ny mitambatra dia vato sarotra ahozongozona,
Hiatrehana an’i Frantsa efa zatra taingim-bozona!

TSIMIMALO (25-01-23)