Rotsak’orana be sy Cheneso – Tondraka koa ny tanànan’i Morondava

Rajepa

Vokatry ny rotsak’orana be aty an-toerana, sy vokatry ny rivodoza Cheneso, tondraka ihany koa amin’izao fotoana ny tanànan’i Morondava. Faritra maro eto an-drenivohitry ny faritra Menabe amin’izao fotoana no milona ao anaty rano tanteraka. Noho izay antony izay, miantso ireo olom-boafidy ato Menabe handray andraikitra ny Prefet an’i Morondava; miantso koa ireo mpanao politika sy fikambanana sy ny tsara sitrapo afaka manampy, fa efa maherin’ny 2500 ny olona tradoza izay tsy misy sakafo hatreto, fa voatery nafindra noho ny ranobe mbola mitohy hatrany ny fitaomana ireo olona, sy ny fanentanana ary araky ny vaovao azo dia mbola hitohy ny fiakaran’ny rano. Tsy mianatra ny mpianatra, tsy miasa ny mpiasa rehetra, tsy mahazo misokatra koa ny bar mandrapaha-tsaran’ny andro. Mikasika ny vokatr’ity rivo-doza ity ihany, raha ny tarehimarika farany voaray manerana ny Nosy: tafakatra 07 ny isan’ireo olona namoy ny ainy, 13 ireo tsy hita popoka. 38.479 kosa ny isan’ireo traboina.