14 taona lasa ny 26 janoary 2009 – Nodoran-dRajoelina sy ny forongony Antananarivo

Andry Tsiavalona

Efatra ambinifolo taona androany ny 26 janoary 2009 na ny alatsinainy mainty, nandoran-dRajoelina sy ny forongony an’Antananarivo, nitohy tany amin’ny faritra hafa izany fandorana izany tamin’izany fotoana izany. Iaraha-mahatadidy fa rakotry ny setroka mainty ny teto an-drenivohitra. Norobaina sy nodorana ireo magazay fivarotana sy ny Magro teny Ankorondrano. Tsy vitan’izay, fa rehefa nandalo sy nahita ireo nandoro sy nandroba ny Fampielezampeom-pirenena (RNM) sy ny Fahitalavim-pirenena (TVM) teo Anosy Rajoelina Andry dia nanome tsodrano ny mpanaradia azy indray nandeha nandoro ny MBS Anosipatrana, sy nandroba ny Magro eny Tanjombato. Tsy nijanona teto an-drenivohitra ihany no norobaina sy nodorana ny orinasan’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana, fa hatramin’ireo tany amin’ny renivohitry ny Faritany. Nisy aina nafoy tamin’ireny fotoana ireny satria nianjeran’ny gonim-bary. Nojerem-potsiny koa ny nandrobana sy nandorana ny “Trade Centre” teo Analakely, izay nisy mpandroba lasa maskita hoy ny nahita maso. Angamba mbola tsy ampy ny sorona tamin’iny andro iny, ka nilazan’ny nivory teny Ambatobe, fa raha tsy misy rà latsaka dia tsy nahomby ny tolona, fanalàna an-dRavalomanana Marc teo amin’ny fitondrana ny Firenena.

Miverina ao an-tsaina, araka izany, ny 7 febroary 2009, sabotsy mainty, satria na dia nosakanan’ny jeneraly iray tsy nihoatra ny barazy ary tsy hiditra ao amin’ny faritra mena aza ireo nanao fihetsiketsehana, nomen-dRajoelina Andry tsodrano naka ny Lapan’Ambohotsorohitra, dia niroso ihany ka maro no lavo. Ny mpanao gazety vahiny tao amin’ny RFI moa dia nijoro vavolombelona, fa tsy avy tao amin’ny Lapan’Ambohitsorohitra ny tifitra. Na izany na tsy izany dia azo lazaina fa rehefa betsaka tokoa ny rà latsaka tamin’io daty io, ka voatery nanao sesitany ny tenany tany Afrika Atsimo ny Filoha Ravalomanana Marc, mba tsy ho an’isan’ny sorona ihany koa. Azo lazaina fa tao an-dohan’ny mpanongam-panjakana izany raha nitifitra rôkety ny Lapan’Iavoloha ny miaramila mpihoko tao amin’ny Capsat.

Tsiahivina eo amin’ny lafiny toekarena fa 7,2 % ny tahan’ny harinkarena faobe ny taona 2008. Ny taona 2021, telo ambinifolo taona aty aoriana dia nitovy tamin’io sainga miiba (-7, 2 %). Tsy nisy fitokonana noho ny karama tsy voaloa na noho ny vatsim-pianarana tsy noraisin’ny mpianatra nandritra ny Repoblika III-3, nitondran’i Dada saingy hita etsy sy eroa ny fitokonana satria tsy naloan’ny fitondrana Rajoelina Andry ny karaman’ny orinasa mpanao làlana sy ny mpiasan’ny fahasalamana ary ny mpandraharaha ara-teknika sy ara-pitantanana (Personnel Administratif et Financier) eny amin’ny Anjerimanontolo. Nisitraka fanafoanana trosa i Madagasikara tamin’ny fitondrana Ravalomanana Marc, noho ny fahaiza-mitantanana sady tamin’ny fomba nangarahara tanteraka. Ankehitriny dia namoahan’ny Fitsirihana momba ny fitantanam-bola (Contrôle Financier), fa tsy nazava ny fitantanana ny fanampiana nomen’ny mpamatsy vola nentina niatrika ny valanaretina covi-19. Làlana manodidina ny iray alina kilometatra ny làlana vita ka anisan’izany, raha tsy hitanisa afa tsy ireo tena potika amin’izao fotoana izao, ny Làlam-pirenena faha-2, faha-6, Faha-7, sns… Nankalazaina anefa tamin’izany fotoana izany fa “tsy azo hanina ny làlana” kanjo ny zava-misy ankehitriny dia mitokona ny mpitatitra amin’ny fiara vaventy, ka tapaka ny famatsian-kanina ny Malagasy. Eo amin’ny sehatry ny fitaterana ihany dia rava ny orinasam-pirenena Air Madagascar kanefa dia anisan’ny reherehan’ny Firenena ity orinasa ity, tamin’ny Repoblika telo nifandimby hatramin’ny nahazoana ny fahaleovantena. Torak’izany koa ny fitaterana an-dalamby FCE, ka mampitaraina ny tantsaha mpamokatra manamorona iny zotra iny, satria tsy tafavoaka ny vokatra.

Nilaza ho nahavita zavatra ny tetezamita na dia tsy nahazo famatsiana avy any amin’ny mpiaramiombon’antoka ara-teknika sy ara-bola aza, tsara ho fantatra anefa fa ny tahirim-bola vahiny tao amin’ny Banky Foibe nolovain’ny tetezamita tamin’ny fitondrana Ravalomanana dia nahatratra roarivo tapitrisa dolara kanefa dia tsy nisy fanaraha-maso hentitra ny nandaniana izany vola izany. Variana manonofy izao fitondran-dRajoelina Andry izao, ka tsy mahagaga raha miady gisitra ny Firenena eo amin’ny ara-toekarena ary mahantra ny roambisivifolo isan-jaton’ny vahoaka Malagasy, maherin’ny roa tapitrisa ny mponina miaina ao anatin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Raha mbola tiana hitohy izao fijaliana sy fahantrana, eo amin’ny lafiny rehetra mihàtra amin’ny Firenena izao dia mbola hamerina izao fitondrana izao ny gasy amin’ny fifidianana rehetra ho avy. Heverina fa tsy hamerina intsony izao mpitondra mampijaly, sy mampahantra azy izao ny vahoaka Malagasy.