Kaominina Moramanga – Miaina tanteraka ao anatin’ny fanamparam-pahefana

Ny Valosoa

Miaina tanteraka ao anatin’ny fanamparam-pahefana amin’izao fotoana ny ao amin’ny kaominina Moramanga faritra Alaotra Mangoro, noho ny ataon’ny mpitantana ao anivon’ny fiadidiana izany tanàna izany. Tamin’ny ben’ny tanàna mpisolo toerana ankehitriny, ben’ny ara-dalàna, tsy nisy nampihariny ny didim-pitondrana nivoaka tao amin’ny kaominina tapaky ny mpanolotsainan’ny tanàna.

Raha tsiahivina, tsy manana ben’ny tanàna voafidim-bahoaka ny renivohitry ny Bezanozano, fa ben’ny tanàna mpisolo toerana napetraky ny fanjakana no misy, noho ny tokony ho namerenana ny fifidianana, satria tsy lany ny kandidà narotsaky ny fanjakana dia nofoanana ary mbola tsy naverina hatramin’izao izany fifidianana izany. Ny mahagaga sy mahatalanjona amin’izao, mamoaka didim-pitondrana kaominaly ny tenany, nefa tsy misy filankevitra kaominaly ny tanànan’i Moramanga ankehitriny. Noho izay antony izay, lasa feno trano ny faritry ny Lapan’ny Tanàna, izao indray koa, ny faritry ny sisin’ny tambohon’ny kianja fanaovam-baolina no anorenan’ny mpanambola any an-toerana fivarotana, nefa raha ny marina, vonjy maika no namindrana azy ireo teo noho ny fanamboaran’Ambatovy ny tsena, ka natao trano hazo. Izao anefa nivoaka ny didim-pitondran’ny kaominina: 01/ 23 MOR tamin’ny 09/01/23- CU/ ST visa STRAT N° 001/ 23 MOR tamin’ny 06/01/23, ka manorina trano biriky ny mpivarotra eo ary nahena 2,5 m ny tambohon’ny kianja fanaovam-baolina.

Izany ve hoy ny mponina ao Moramanga no antony tsy namerenana ny fifidianana hatramin’izao? Manginy fotsiny ny fizarany ho an’ny fianakaviany sy ny mpanambola ny tokontanin’ny Cité Communale. Miantso vonjy ny vahoakan’i Moramanga amin’ny fanamparam-pahefana misy.